Fiangonana iasan’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Mey 2026

Sal 57.7-11 / Hira 164 /Vavaka / Mofonaina /vavaka / Hira 268

1 Tesaloniana 1,1 - 5
1 [Fiarahabana ny Tesaloniana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny nandraisan'ireo ny filazantsara sy ny nandrosoany tamin'ny finoana sy ny fitiavana] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. 2 Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay, 3 sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika; 4 fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo, 5 fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.

Fiangonana iasan’ny Fanahy Masina

Asongadin’i Paoly eto amin’ny and.3 ireto toe-panahy ireto izay isany nampiavaka ny Fiangonana tany Tesalonika:

1- Miasa amin’ny finoana

Amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy no handraisana maimaim-poana ny famonjena. Izany finoana izany anefa dia tsy mamela ny Fiangonana hipetrapetra-poana, fa maniraka azy kosa hiasa, mba hahitan’izao tontolo izao fa mpiasa mazoto sy mailaka ary mahatoky ny mpino, ka sady afaka hiahy ny ankohonany sy hanampy ireo izay tra-pahasahiranana izy no hanohana ny asan’ Andriamanitra ihany koa.

2- Mikely aina amin’ny fitiavana

Ny fikelezana aina dia entina ilazana asa mafy ahatsiarovana hasasarana, vokatry ny fahatsapana ny fitiavana nasehon’i Jesoa Kristy ka nanolorany ny ainy ho faty mba hamonjena ny Fiangonana. Izay rehetra efa nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy eo amin’ny fiainany dia hanao araka izay tratrany amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara. Ny firaisana tsy tapaka amin’ny Fanahy Masina no mahatanteraka izany.

3- Maharitra amin’ny fanantenana

Voatery niala tao Tesalonika ny Apostoly Paoly noho ny fanoherana mafy nahazo azy. Nahafaly azy anefa ny nandre fa niorina mafy ny finoan’ny Fiangonana tany Tesalonika, ary nanana faharetana izy ireo nanoloana ny fanenjehana mafy izay nihatra taminy, noho ny fanantenany an’i Jesoa Kristy. Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanantenana ny fiainana mandrakizay, ary ny fitiavana no isan’ny fototra mamaritra ny maha kristiana ny Kristiana sy ijoroany ho vavolombelon’ny Tompo Jesoa.

Fanontaniana:

Inona no mampiavaka ny Fiangonana misy anao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masi...

Alarobia, 6 Mey 2026

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina 1-Tsy tokony hatahotra olona ny mino Arakaraka ny…

Jesoa Kristy, Ilay Mpanompon’i Jehov...

Talata, 5 Mey 2026

Jesoa Kristy, Ilay Mpanompon’i Jehovah. 1- Manazava ny hevitry ny lalana Izy Hamarinin’ny Soratra Masina…

Olona afaka ny mpino

Alatsinainy, 4 Mey 2026

Olona afaka ny mpino! « Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy » 1- Afaka…