Ny olona iasan’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Mey 2026

Sal 102.1-2 / Hira 201 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 645.1,3

Asan'ny Apostoly 7,54 - 8,1
54 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy. 55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra, 56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra. 57 Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, 58 dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. 59 Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. 60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry. 1 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. [Ny nielezan'ny mpianatra noho ny fanenjehana, sy ny nitorian'ny Filipo tany Samaria sy tamin'ilay tandapa Etiopiana] Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
Ny olona iasan’ny Fanahy Masina
Voalaza fa feno ny Fanahy Masina i Stefana (Asa 6.5; 7.55). Агу izany no nampiavaka azy teo anatrehan’ny fitsaran’ny Synedriona:
1- Mahita ny voninahitr’ Andriamanitra (and.55-56)
Nohararaotin’ny Stefana ny fotoana nitsarana azy mba hilazany ny hafatry ny Tenin Andriamanitra ho an’irco mpitsara azy. Hoy izy: « Olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina » (and.51), sady mpamadika sy namono an’i Jesoa Kristy « ilay Marina » (and 52) no tsy mankato ny lalan’i Mosesy (and.53). Vao mainka nahatezitra azy irco izany ka nahatonga ny famonoana ho faty an’i Stefana. Niasa mahery tao amin’i Stefana ny Fanahy Masina ka nanome fahatokiana feno azy hatramin’ny farany. Tanteraka taminy ny teny fampanantenana nomen’i Jesoa hoc: « Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao ». Tsy zava-nahatahotra azy intsony ny fahafatesana; nahita voninahitr Andriamanitra sy nitsangana Jesoa ny ankavanan Andriamanitra mitsena azy izy (and.55, 56) teo
2- Vavaka no namarana ny fiainany (and.59-60)
Raha efa nahita olona miady amin’ny fahafatesana isika dia mety hanontany tena hoe: inona re no tao an-tsainy sy nolazainy farany talohan’ny nialany aina? Ny an’i Stefana dia vavaka no namaranany ny androm-piainany. Ireto zavatra roa ireto no nisongadina tamin’ny vavaka farany nataony: ny voalohany dia ny firesahany tamin’i Jesoa mba handray ny fanahiny (and.59), izay ahatsiarovana ny vavaka nataon’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana (Lio 23.46). Ary ny faharoa dia ny fangatahany famelan-keloka ho an’ireo rehetra izay namono azy.
Fanontaniana:
Inona no teny hotononinao amin’ny ora farany hialana ety?
Foibe Sampana Sekoly Alahady

Mofon'aina teo aloha

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny ...

Zoma, 8 Mey 2026

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino 1- Mitari-dalana Zavatra iray ihany no ambara amin’ny…

Fiangonana iasan’ny Fanahy Masina

Alakamisy, 7 Mey 2026

Fiangonana iasan’ny Fanahy Masina Asongadin’i Paoly eto amin’ny and.3 ireto toe-panahy ireto izay isany nampiavaka…

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masi...

Alarobia, 6 Mey 2026

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina 1-Tsy tokony hatahotra olona ny mino Arakaraka ny…