SP 12/Ambohitrony

FJKM AMBOHITRONY MANANARA SP AA 12

Hanamarika fotoan-dehibe roa sosona

1996 – 2021, feno 25 taona ny naha-mpitandrina an’Atoa RAKOTOARIMANANA Auguste, ary feno 20 taona kosa no niarahany niasa tamin’ny fiangonana FJKM AMBOHITRINY MANANARA Synodamparitany Antananarivo atsinanana. Hankalaza an’Andriamanitra noho izany fotoan-dehibe izany ny Mpitandrina mivady sy ny zanany miaraka amin’ny Fiangonana. Ny Sabotsy 18 Septambra 2021 izao no hanatanterahana ny fiombonam-bavaka. Manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina ny fotoana izay tarihin’ny FOIBE sy ny Synodamparitany Atsinanana. Ny Alahady 19 Septambra manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina kosa dia fanompoam-pivavahana tarihin’ny Fiangonana sy ny Zanak’Ampielezana. “ Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an’ny jentilisa Izy” (Isaia 42: 1). Io no teny faneva nosafidian’ny fiangonana ho amin’izao jobily volafotsy sy fiaraha-miasa amin’ny mpitandrina mianakavy izao.

Nanangona R. Philémon

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 11. Ala. III man. Paska - S. Lehilahy Kristiana
Zak. 4. 1-7 | Mar. 13. 9-11 | 1 Pet. 1. 10-12

| | 18. Ala. IV man. Paska - Mpiasa Foibe FJKM
2Sam. 23. 1-7 | Mat. 12. 22-30 | 1 Kor. 12. 1-11

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17