Tari-dalana amin’ny fiainana miaraka amin’ny TOMPO

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Novambra 2026

Sal 33.1-4 / Hira 12: 1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 427:1

Kolosiana 4,2 - 6
2 [Ny amin'ny naman'i Paoly, sy fanaovam-beloma ny sakaizany tao Kolosia] Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana, 3 ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy, 4 mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako. 5 Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa. 6 Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.

Tari-dalana amin’ny fiainana miaraka amin’ny TOMPO

Epafra no nanorina ny Fiangonana tao Kolosia. Rehefa nanambana ny Fiangonana ny fampianaran-diso (fampifangaroam-pivavahana: fitompoan-teny fantatry Jodaista, ny filozofia sy ny finoana grika ary ny fivavahana tamin’ny anjely) dia nanao tatitra tamin’i Paoly iry voalohany. Ireto ary no torohevitr’i Paoly vokatr’izany:

1. Mahareta amin’ny fivavahana (and 2)

Voambolana miaramila io « mahareta » io, entiny milaza fa tsy tokony hisy fotoana hampitsahatra na hampihena ny vavaka asandratra mihitsy! Na inona na inona mitranga sy miseho. I Paoly no manome ohatra mivaingana fa na dia any an-tranomaizina aza izy dia tsy fahakiviana na fitanondrehana no hita taminy fa mbola fiainana feno vavaka, tsy fitalahoana akory aza, fa fanehoam-pankasitrahana ny Tompo. Mianara aminy, fa izy koa nianatra tamin’i Jesoa, mivavaka tsy tapaka (Lio 18. 1)

2. Mandehana amin’ny fahendrena (and 5)

Ny mandeha amin’ny fahendrena dia izao, manao izay tsy hahazoana miteny ratsy an’i Kristy amin’ny atao rehetra sy amin’ny fifandraisana rehetra na dia ao anaty tontolo miharatsy hatrany aza. Taomin’i Paoly ny mpino, tsy ho mpitari-bato vilam-bava, fa haneho amin’ny andavanandrom-piainany sy amin’ny fitondran-tenany ny fananany an’i Kristy. Ianao indrindra izany !

3. Mitenena ho amin’ny fahasoavana hatrany (and 6)

Ny fiteny mamy sira, lazain’i Paoly dia ny teny na fiteny voahevitra tsara. Sady tsy misorona manitsy izay mivily lalana no tsy mandratra ka manosika hiverina. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao; teny mitondra soa ho an’ny mpiara-belona, ary teny sahaza arakaraka ny olona ifandraisana mba hiampitan’ny Filazantsaran’i Kristy Jesoa.

Fanontaniana

Mby aiza manoloana ireo ianao ankehitriny?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny iraky ny TOMPO

Alahady, 22 Novambra 2026

Ny iraky ny TOMPO Raha mitodika amin’i Ezekiela, amin’ny maha mpaminany irahin’ Andriamanitra azy, hiatrika…

Ny fotoana hiverenan’ny TOMPO indray

Asabotsy, 21 Novambra 2026

Ny fotoana hiverenan’ny TOMPO indray Miresaka ny amin’ny fotoana hiverenany indray eny amin’ny rahon’ny lanitra…

Ny Tenin’Andriamanitra mananatra

Zoma, 20 Novambra 2026

Ny Tenin’Andriamanitra mananatra Mamarana ny dia misionera fahatelo nataony i Paoly no izao manao veloma…