Ny iraky ny TOMPO

Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Novambra 2026

Sal 145. 1-7 / Hira 167:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 641: 2,3

Ezekiela 38,1 - 7
1 [Ny handresena an'i Goga sy Magoga mbamin'ny firenena maro izay ho entiny hiady amin'ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Ry zanak'olona, manandrifia an'i Goga avy any amin'ny tany Magoga, izay mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala, ary maminania ny hamelezana azy, 3 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala. 4 Ary hitarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka izy rehetra, dia olona maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra; 5 miaraka aminy ny Persiana sy ny Etiopiana ary ny Libyana*, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa,[Heb. Pota] 6 Gomera koa mbamin'ny miaramilany rehetra, ny taranak'i Togarma avy any amin'ny farany avaratra mbamin'ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao. 7 Miomana, ka mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpitarika* azy.[Na: mpitandrina]

Ny iraky ny TOMPO

Raha mitodika amin’i Ezekiela, amin’ny maha mpaminany irahin’ Andriamanitra azy, hiatrika an’i Goga isika dia hafatra telo no azo raisina:

1. Aza miantehitra amin’ny tenanao (and 2)

«Ry zanak’olona…» no iantsoan’Andriamanitra an’i Ezekiela. Maneho izany fa malemy sy voafetra ity farany. Noho izany tsy maintsy miankin-doha amin’i Jehovah (rahateo, ny dikan’ny hoe Ezekiela dia hoe Mampahery ahy Andriamanitra) fa tsy mahefa na inona na inona amin’ny herin’ny tenany manokana. Miantehera amin’ny Tompo mandrakariva, rahateo, Izy ange mahalala tsara fa olona voafetra sady tsy tanteraka ianao e!

2. Izay asainy atao, atao (and 2)

«Manandrifia an’i Goga avy any amin’ny tany Magoga…» hoy ny baiko omen’Andriamanitra an’i Ezekiela. Ny hoe «manandrify» dia azo adika hoe, atodiho any ny tavanao. Endrika roa no heviny ao amin’ny Testamenta taloha, na izy hilaza fitahiana (Nom 6. 25) na ozona sy fitsarana. Ny an’i Ezekiela eto dia asaina mijery an’i Goga ao anaty masony hampita aminy ny fitsarana sy ny fanamelohana. Aza mihodina na dia sarotra aza ny andraikitra omen’ny Tompo.

3. Izay lazainy no ambarao (and 2b, 3)

« maminania… ataovy hoe: izao no lazain’i Jehovah Tompo…» hoy ny Soratra Masina eto! Midika izany fa tsy izay rehetra tonga ao am-bavan’i Ezekiela akory dia tsy maintsy lazainy avokoa, fa izay asaina ambarany ihany no hambarany! Ilay hoe maminania eto dia maneho fa iharana i Ezekiela fa tsy mpanao, ary ny Fanahy no mampiteny azy. Efa nihatra tamin’i Balama izany (Nom 22. 18). I Jesoa koa aza dia izay nanirahan’ny Ray Azy no nataony sy nambarany. Ianao koa manaova toy izany!

Fanontaniana

Hatraiza ny fahavononanao amin’ny iraky ny Tompo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny fotoana hiverenan’ny TOMPO indray

Asabotsy, 21 Novambra 2026

Ny fotoana hiverenan’ny TOMPO indray Miresaka ny amin’ny fotoana hiverenany indray eny amin’ny rahon’ny lanitra…

Ny Tenin’Andriamanitra mananatra

Zoma, 20 Novambra 2026

Ny Tenin’Andriamanitra mananatra Mamarana ny dia misionera fahatelo nataony i Paoly no izao manao veloma…

Ny fiomanana sy ny fahavononana amin...

Alakamisy, 19 Novambra 2026

Ny fiomanana sy ny fahavononana amin’ny fiavian’ny Tompo Misy dingana roa ny fampakaram-bady teo amin’ny…