Ny Tenin’Andriamanitra mananatra
Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Novambra 2026
Sal 150 / Hira 18 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 271:2
Asan'ny Apostoly 20,25 - 31
25 Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana. 26 Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin'ny ranareo rehetra aho. 27 Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra. 28 Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina*, hiandrasanareo ny fiangonan**'Andriamanitra***, izay novidiny tamin'ny ràny. [*Gr. episkopo] [** Gr. eklesia'] [*** Na: [ny fiangonan'ny Tompo] 29 Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia* masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. [* Gr. lopa] 30 Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy. 31 Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman'alina tamin'ny ranomaso.Ny Tenin’Andriamanitra mananatra
Mamarana ny dia misionera fahatelo nataony i Paoly no izao manao veloma ny mpitondra Fiangonana tao Efesosy izao ary manafatrafatra azy ireo! Rehefa nitoriana ny Tenin’ Andriamanitra. ary nomeny zara fanompoana:
1. Áza mandraraka ilo mby an-doha (and 26)
«…afaka amin’ny ranareo aho…» hoy i Paoly. Ny tiany ambara amin’izany dia hoc, efa natao daholo izay tokony ho natao rehetra, notoriana i Kristy, nampianarina ny famonjena (and 27). Noho izany, raha sanatria ka misy very, dia nanary tena, ary izany no atao hoe nandraraka ilo mby an-doha. Raiso sy iaino izay efa nampianarina sy notoriana taminao fa aza manary ny anjara tsara. Indrindra fa izay nomena fanompoana manokana. Mahagaga anefa indraindray, fa toa tsy tsaroan’ny olona izay efa nataon’Andriamanitra taminy, na izay efa nataon’ny mpanompon’ Andriamanitra taminy, indrindra indrindra fa rehefa tsy anaty fotoan-tsarotra intsony ny olona.
2. Mitandrema, miambena (and 28)
«Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra…». Ny dikan’ity mitandrina ity dia hoe aza avela hibirioka hivoaka ny vala. Ka mitodika voalohany indrindra amin’izay nametrahana andraikitra izany. Teren’ny fitiavan’i Kristy ny olona nomena zara fanompoana hitondra tsara ny tenany, ho azon’ny «ondry» alaina tahaka. I Jesoa dia tsy nisalsala nilaza tamin’ny olona hoe: «…mianara amiko» (Mat 11. 29). Fa atao ahoana moa no fitondra na fihazona ny ondry ao anatin’ny vala raha toa ka ny mpiandry ondry aza any ivelany? Ary ataon’ny ondry ahoana ny hamantatra ny lalana tokony aleha sy harahiny raha toa ka ny mpiandry ondry nivily amin’ny lalana hafa? Izay mahatandrin-tena no mahatandrina ondry.
Fanontaniana:
Nitondra inona ny Tenin’ Andriamanitra notoriana taminao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady