Ny fotoana hiverenan’ny TOMPO indray

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Novambra 2026

Sal 95 / Hira 543:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 2: 1, 2

Marka 13,33 - 37
33 Mitandrema, miambena*, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.[*Gr. miareta tory] 34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara; 35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. 37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra

Ny fotoana hiverenan’ny TOMPO indray

Miresaka ny amin’ny fotoana hiverenany indray eny amin’ny rahon’ny lanitra i Jesoa eto. Fanontaniana telo no azo omena valiny avy amin’io anjara mofonainantsika io:

1. Iza no tsy mahalala fa ho avy indray i Jesoa? (and 37)

Tsy misy, satria «izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra» hoy i Jesoa. Tsy misy nanafenana, na natao tsy hahalala, fa ny mamono sofina no betsaka. Raha ny marina aza, dia tena anisan’ny iraka ampanaovin’i Jesoa ny mampianatra ny olona, tsy ny handray Azy ho Tompo sy Mpamonjy ihany fa ny hampiomana ny amin’ny fiverenany koa. Ity fiverenan’i Jesoa ity, no tsy resahina indrindra amin’ny karazana fampianaran-diso samihafa, fa taominy ho variana amin’ny zavatry ny tany ny olona. Aza mety hofitahina ianao!

2. Rahoviana ny fotoana hiaviany? (and 35)

Hoy i Jesoa: «Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina » Ny dikan’izany dia tsy misy afaka hanome na ny taona na ny volana na ny andro na ny ora. Mamitaka izay sahy milaza ho mahalala ireo andinindininy ireo (and 32)

3. Inona no atao mandra-piaviny? (and 34)

Manao izay nampanaovina. Lazain’i Jesoa amin’ny fanoharana fa: « samy notolorany ny raharahany avy… » Ny hevitr’izany dia izao: eo am-piandrasana ny fiavian’i Jesoa, dia ny miasa, manao ny andraikitra manandrify napetrany amin’ny tsirairay avy. Vonona isanandro, ka mamita tsara ny anjara fanompoana isika, fa ny tian’i Jesoa hahitana antsika raha avy Izy, dia tsy matory fa eo am-perinasa amin’izay nametrahany fitokisana tamintsika. Hoy i Jesoa hoe: « Mitandrema, miambena, mivavaha » (and 33).

Fanontaniana

Manao inona no hahitany anao raha tonga izao i Jesoa?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny Tenin’Andriamanitra mananatra

Zoma, 20 Novambra 2026

Ny Tenin’Andriamanitra mananatra Mamarana ny dia misionera fahatelo nataony i Paoly no izao manao veloma…

Ny fiomanana sy ny fahavononana amin...

Alakamisy, 19 Novambra 2026

Ny fiomanana sy ny fahavononana amin’ny fiavian’ny Tompo Misy dingana roa ny fampakaram-bady teo amin’ny…

Fampianarana (Maskila) ao amin’ny Sa...

Alarobia, 18 Novambra 2026

Fampianarana (Maskila) ao amin’ny Salamo Iray amin’ny hira nampiasaina ho fampianarana (Maskila) ny Salamo faha…