Ny vavaka ankasitrahan’ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Oktobra 2026
Sal. 111 / Hira 539 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira FF 10:1
Matio 6,5 - 14
5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 6 Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. 7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. 8 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo. 9 Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. 10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao et? an-tany tahaka ny any an-danitra. 11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. 12 Ary mamelà ny helokay* tahaka ny namelanay izay meloka** taminay. [*Na: trosa] [**Na:nitrosa] 13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny* ratsy**. [*Na: amin'ilay] [** Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena] 14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.Ny vavaka ankasitrahan’ny Tompo dia
1. Atao am-panetrentena (and 5-6)
Asain’i Jesoa tsy hanao vavaka feno fihatsarambelatsihy ny mpianatra. Ny mpihatsaravelatsihy dia manao izay rehetra azony atao hanasongadinana ny tenany. Izany toe-tsaina izany indrindra no ampitandreman’i Jesoa: tsy natao hisehosehoana amin’ny olona ny vavaka fa fifandraisana manokana sy fifandraisana lalina amin’Andriamanitra. Ny fanetren-tena sy ny fahatsoram-po no ankasitrahan’Andriamanitra. Mahita izay atao ao amin’ny miafina Andriamanitra ary Izy no mamaly izany.
2. Atao amin’ny fahatokiana Azy (and 7-8)
Hoy i Jesoa: « …fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo ». Tsy ny habetsaky ny teny izay aloaky ny vava amin’Andriamanitra no hamaliana ny olona na tsia. Ny vavaka dia fanehoana fahatokiana sy fiankinana tanteraka amin’Andriamanitra, fa tsy fanerena Azy. Koa ny fototry ny vavaka mahomby dia ny finoana sy ny fahatokiana an’Andriamanitra. Izy no efa mahalala izay sahaza.
3. Atao araka ny sitrapony (and 9-14)
Manome modelim-bavaka i Jesoa: Ireto avy Ny vontoatin’ny vavaka: fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, fanandratana, ny hahatanterahan’ny sitrapon’ Andriamanitra, fangatahana famelan-keloka ary fangatahana fiarovana amin’ny fakam-panahy sy ny ratsy. Ireo rehetra ireo dia maneho fa ny sitrapon’ Andriamanitra no tokony ho laharam-pahamehana amin’ny vavaka. Ho anao, rehefa mivavaka dia angatahao amin’ Andriamanitra mandrakariva mba ny sitrapony no ho tanteraka, fa mahasoa anao izany.
Fanontaniana:
Inona avy ireo singa tokony ho hita ao anatin ‘ny vavaka?
Foibe Sampana Sekoly Alahady