Ny vavaka amin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 31 Oktobra 2026

Sal.88. 1-3 / Hira 438 1, 2, 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 42

Marka 14,32 - 42
32 Ary tonga tany amin'ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako. 33 Ary nitondra an'i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra. 34 Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory. 35 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora izany aminy, raha azo atao. 36 Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. 37 Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao? 38 Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. 39 Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany. 40 Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy. 41 Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra ao an-tànan'ny mpanota. 42 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.

Ny vavaka amin’Andriamanitra

1- Fiombonana amin’ny Ray

« Aba, Raiko ô, (…) esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao » (and. 36)

Ny teny hoe « Aba » amin’ny teny Aramena dia midika hoe « Dada ». Jesoa mitaraina, mitalaho, mikiakiaka mangataka famonjena amin’Andriamanitra Rainy. Jesoa miantsoantso toy ny Zazakely. Vavaka maneho fifandraisana lalina eo amin’i Jesoa sy ny Rainy satria ao anaty fahoriana lalina i Jesoa. Toy izany ihany koa ny tokony hataon’ny mpino raha mivavaka. Rehefa mivavaka ao anatin’ny olana sy zava-tsarotra na fahoriana dia mila manana fifamatorana lalina amin’ny Ray. Lazaina sy tononina mazava ao anatin’ny vavaka atao ny maharary na ny mahaory.

2- Mitaky faharetana

« Miareta tory hianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy… » (and. 38)

Rehefa avy nivavaka manokana i Jesoa dia niverina teo amin’ny mpianatra ka nahita azy ireo natory. I Jesoa mivavaka miady amin’ny herin’ny helo, fa ny mpianatra kosa matory. Rehefa tsy naharitra niara-nivavaka tamin’i Jesoa ny mpianatra dia natory. Mitaky faharetana ny vavaka. Fa ny olona tsy maharitra mivavaka dia latsaka ao anatin’ny torimasom-panahy ka tsy afaka maharesy ny fahavalo. Naharitra nivavaka i Jesoa ka afaka niatrika ny hazofijaliana. Izay maharitra amin’ny vavaka no mandresy amin’ny ady.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba hahatonga anao haharitra mivavaka?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Taomina ny mpino hidera an’Andriaman...

Zoma, 30 Oktobra 2026

Taomina ny mpino hidera an’Andriamanitra 1- Noho ny Fandresen’i Kristy « Aoka isika hifaly sy ho…

Ny fitiavana ny fahavalo

Alakamisy, 29 Oktobra 2026

Ny fitiavana ny fahavalo 1- Maneho ny maha zanak’Andriamanitra « …Mba ho tonga zanaky ny Rainareo…

Ny olona manompo an’Andriamanitra

Alarobia, 28 Oktobra 2026

Ny olona manompo an’Andriamanitra 1- Mahazaka ny olana misy « Iza no ahy any an-danitra? Ary…