Ny fomba fiainana sy fitondrantena kristiana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Novambra 2026
Sal.106,1-5 / Hira170 :1,3 /Vavaka/Mofonaina/Vavaka/ Hira 531
Romana 12,14 - 21
14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. 15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. 16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo] 17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra. 18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. 19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35). 20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22). 21 Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.Romana 12, 14-21
Manoratra ireo fomba fiainana sy fitondrantena kristiana eny anivon’ny fiaraha-monina misy ny tsirairay i Paoly apostoly:
1. Iaino ny fiombonana
Ny fitiavana ny namana dia tokony hita taratra amin’ny zava-mitranga eo aminy. Raha tojo fahoriana dia miara-ory mba hampahery azy. Ary raha sendra fifaliana dia miara-paly mba hampitombo ny fifaliany. Tsy ho tantreraka anefa izany raha toa ka tsy manana fanetren-tena, lavitry ny fiheveran-tena ho zavatra. Mba hahatrarana ny fiombonana dia mila mihevitra ny hafa mandrakariva. Tsarovy fa Jesoa Kristy dia tsy mba nitady izay ho tombontsoany manokana, fa nikatsaka hatrany izay hahasoa ny olombelona rehetra ka nanekeny ho faty teo amin’ny hazofijaliana. Ny Kristiana dia olon’ny fihavanana ka tia sy miaina ny fiombonana amin’ny tsara.
2. Fadio ny valifaty
Misy hatrany ireo mitsangana ho fahavalon’ny Kristiana, na dia tsy manangana fahavalo aza izy. Tsy vitsy koa no mihevitra sy manao ratsy eo amin’ny fiainana. Ny fanaovana asa soa sy asa tsara no hamaliana ireo ratsy rehetra ataon’ny fahavalo. Ny famerenena ny ratsy ataony dia toy ny fanekena ny tsy mety ataony, ka tonga mitovy aminy. Mazava tsara fa tsy olona no iadiana fa ilay fanaony no resena amin’ny asa soa. Tena fandresen’ny mpino ny manao soa izay manao ratsy azy, fa tsy faharesena velively. Jesoa Kristy no modely tsara indrindra, nahavita nivavaka sy nifona teo amin’ny hazofijaliana ho an’ireo nampijaly Azy. Anjaran’ Andriamanitra ny famaliana. Koa esory ny fankahalana sy ny lolompo; fenoy ny fitiavan’i Kristy dia ho lavitry ny valifaty.
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy ahafahan’ny olona mamela heloka ireo nanao ratsy azy?
Foibe Sampana Sekoly Alahady