Ny Toetran’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Novambra 2026

Sal 66.8-12 / Hira 3: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 3: 2,3

Isaia 21,1 - 6
1 [Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe*. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina] 2 Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra. 3 Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany. 4 Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako. 5 Velarina ny latabatra, miambina* ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga![Na: velarina ny tsihy] 6 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.

Ny Toetran’Andriamanitra

Ity anjara mofonainantsika ity dia mampianatra antsika fa ny Andriamanitsika dia:

1.Mahita, miditra an-tsehatra ao amin’ny tantara (and 1)

«Tahaka ny firimorimon’ny tadio avy any atsimo no fihaviny avy any an’efitra», Io no maneho fa tsy mitazam-potsiny ny manjo ny olona akory Andriamanitra, miditra an-tsehatra Izy hamonjy azy. Ampiasain’ Andriamanitra eto ny Mediana sy ny Persiana (Jentilisa) ho enti-mitsara ny Babyloniana. Izany toetran’Andriamanitra izany dia manainga antsika indray maka koa hatoky Azy tanteraka, fa « ny tanany tsy fohy fa mahavonjy ary ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare » (Isa 59.1) Eo anoloan’ny fangejan’ny fahotana koa, dia tonga i Jesoa (ny dikan’ny anarany dia hoe: Jehovah no mpamonjy) hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotana (Mat 1.21)

2. Tompon’ny fahefana ary Tsitoha

Mahavariana ny fomba fandaminan’ Andriamanitra Tompon’ny tantara. Asehony ao anatin’izany fitondrany izany fa Izy no Andriamanitra Tsitoha; tsy misy tahaka Azy. Na iza na iza manandra-tena ho mahery sy matanjaka, dia tsy misy azo oharina aminy. Ity mofonaina ity no maneho, fa ny Asyriana mbola ao anatin’ny tanjany no efa lazain’Andriamanitra mialoha sahady ny firodanan’i Babylona. Midika izany fa tsy ny ankehitriny ihany akory no eo ambany fifehezan’ Andriamanitra fa ny ho avy rehetra koa dia eo an-tanany rahateo. Mitaona antsika hiantehitra feno amin’ny Tompo izany. Taomina isika mba tsy hisalasala ka hametraka ny fiainantsika sy ny momba antsika rehetra eo am-pelatanany. Ny antony dia satria, tahaka ny fambomban’ny reniakoho ny zanany, no fiheverany antsika koa, ka na voromahery aza mitady hipaoka, tsy avelany hoviraviraina ny zanany. Matokia ny Tompo!

Fanontaniana:

Toetran’Andriamanitra manao ahoana no hitantsika teo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny atao mba hananana faharetana

Alahady, 15 Novambra 2026

Ny atao mba hananana faharetana Manoro hevitra an’i Timoty manoloana ireo faharatsiana izay tsy maintsy…

Ny tombony ho an’ny olona mino an’i ...

Asabotsy, 14 Novambra 2026

Ny tombony ho an’ny olona mino an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy Azy Mampianatra sy…

Tsy maintsy hifarana izao rehetra iz...

Zoma, 13 Novambra 2026

Tsy maintsy hifarana izao rehetra izao Ity epistily ity dia fampahalalana ataon’i Petera ho an’ireo…