Ny atao mba hananana faharetana
Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Novambra 2026
Sal.73, 25-28 / Hira 2:1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 295
2 Timoty 3,10 - 17
10 [Famporisihana an'i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany] Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, 11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany. 12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina. 13 Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina. 14 Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; 15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, 17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.Ny atao mba hananana faharetana
Manoro hevitra an’i Timoty manoloana ireo faharatsiana izay tsy maintsy hiseho.
1. Mivonona hiaritra fahoriana (and.10-13)
Ampahatsiahiviny ireo zavatra rehetra niainany ka hitan’i Timoty, ary nofeheziny tamin’ny filazana fa tsy maintsy hiharam-pahoriana izay rehetra miaraka amin’ny Tompo. Izany anefa tsy mampirisika azy hiala amin’ny Tompo, satria Izy Andriamanitra no manafaka amin’izany. Ny fahoriana izay hiaretana dia noho ny tsara iainana araka an’i Kristy fa tsy sanatria noho ny haratsiana fanaon’izao tontolo izao. Jesoa Kristy no efa nilaza fa hahita fahoriana ny mpino ety amin’izao tontolo izao. Araka izany dia tsarovy fa hisy mandrakariva ny ady ara-panahy, ho an’izay ao amin’i Kristy, kanefa fandresena lalandava koa no efa miandry izay manaiky hiaritra hatramin’ny farany.
2.Mahareta amin’ny fampianarana marina (and.14-17)
Manoloana ny fandrosoan’ny faharatsiana dia taomina i Timoty hitoetra amin’ny fampianarana izay norasiny tamin’i Paoly sy ireo ray aman-dreniny; fampianarana izay niainga sy nifototra tamin’ny Soratra Masina, ary mitondra azy ho amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ka hananany antoka ny amin’ny famonjena. Koa mitandrema fa maro ireo karazam-pampianarana mety ho hita sy re eny rehetra eny. Aza miala amin’ny fampianarana miorina amin’ny Soratra Masina izay feno sy tanteraka. Ny Soratra Masina irery ihany no mitarika ho amin’ny finoana marina mahavonjy ary mahatonga ny olona iray ho olom-banona. Koa tsara raha mahalala sy miaina amin’ny Soratra Masina manomboka amin’ny fahazazany ny olona iray ary hitohy amin’ny androm-piainany manontolo izany.
Fanontaniana:
Inona no atao mba hananana faharetana ?
Foibe Sampana Sekoly Alahady