Ny olona mpivavaka tsara

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Oktobra 2026

Sal. 108. 1. 4/ FFPM 790. 1, 2 / Vavaka/ Mofonaina/ FF 3

Lioka 2,25 - 32
25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. 26 Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo. 27 Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza, 28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: 29 Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao; 30 Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, 31 Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra, 32 Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.

Ny olona mpivavaka tsara

1- Itenenan’ny Fanahy Masina

« Ary efa nambaran’ny Fanahy Masina taminy tsy hahita fahafatesana izy … » (and. 26). Simeona dia voalaza fa lehilahy marina sady mpivavaka tsara. Efa niandry fatratra ny fiavian’ny Mesia ho famiononana ny Jiosy. Tamin’izany indrindra no nilazan’ny Fanahy Masina taminy fa tsy ho faty izy mandra-pahitany ny Kristy. Zava-miafina izany. Araka izany, ny olona marina sady mpivavaka tsara dia anambaran’ny Fanahy Masina zava-miafina. Olona ao anatin’ny fahaverezan-kevitra, ao anatin’ny fanantenana ihany koa no itenenan’ny Fanahy Masina. Koa raha tianao hiteny aminao ny Fanahy Masina dia meteza ho olo-marina sy mpivavaka tsara.

2- Mihaona amin’i Jesoa

« Nentin’ny Fanahy Masina niditra teo ankianjan’ny tempoly izy…Dia nitrotro Azy izy » (and. 27. 28)

Ambara eto fa nentin’ny Fanahy Masina niditra tao ankianjan’ny tempoly i Simeona. Tao anatin’izany indrindra no niditra tao amin’ny Tempoly nitondra an’i Jesoa Zaza i Josefa sy Maria. Nihaona tamin’i Jesoa i Simeona ka nitrotro an’i Jesoa Zaza. Araka izany, ny Fanahy Masina mihitsy no mitarika ny olo-marina sady mpivavaka tsara hihaona amin’i Jesoa. Miafina amin’ny olona izay milaza te-hahita an’i Jesoa kanefa tsy marina sady tsy mpivavaka Izy. Tsy mitarika ny olona tahaka izany hihaona amin’i Jesoa ny Fanahy. Meteza ho olo-marina sady mpivavaka tsara dia hihaona amin’i Jesoa,

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba ihaonanao amin’i Jesoa Kristy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Vavaka ataon’i Jesoa Kristy

Alahady, 18 Oktobra 2026

Vavaka ataon’i Jesoa Kristy 1- Mikendry fiombonana « Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka anao…

Ny olona matoky an’Andriamanitra

Asabotsy, 17 Oktobra 2026

Ny olona matoky an’Andriamanitra Miankina Aminy « Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-jaza-mahory aho, mampandry ahy…

Ny fivavahana ho an’ny mpitondra

Zoma, 16 Oktobra 2026

Ny fivavahana ho an’ny mpitondra 1- Miantoka ny fitondran-tenany « Mivavaha ho anay; fa matoky izahay…