Ny fivavahana ho an’ny mpitondra

Mofonaina anio: Zoma, faha 16 Oktobra 2026

Sal.31. 1-4 / Hira 12.1, 4 / Vavaka/ Mofonaina/Vavaka / HF 26

Hebreo 13,18 - 19
18 Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin'ny zavatra rehetra. 19 Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.

Ny fivavahana ho an’ny mpitondra

1- Miantoka ny fitondran-tenany

« Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara… » (and. 18). Sarobidy ny vavaka ho an’ny mpitondra fivavahanana satria miantoka ny toetra sy fomba fiainany. Ny herin’ny fanavotan’i Kristy sy ny fanatrehan’ny Fanahy Masina dia mampitombo ny fahatahorana an’Andriamanitra sy henatra noho ny fahotan’ny lasa ka mitondra fifaliana, fiadanana, fahatokiana. Tsy noho ny ezaka ataon’olona anefa fa noho ny asan’ny Filazantsara. Araka izany, ny herin’ny vavaka ataon’ny mpino ho an’ny mpitondra fivavahana dia mahatonga azy hahajoro tsara amin’ny fanompoana sy ny fiarahana amin’i Kristy Ilay niantso azy.

2- Manetsika ny herin’Andriamanitra

« Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodiana faingapaingana kokoa ho aminareo » (and.19)

Eto ny fahatongavan’ny mpanoratra dia miankina amin’ny vavaka ataon’ny mpino ho azy (File.22). Ny vavaka ataon’ny mpino ho an’ny mpitory Filazantsara no manetsika na mahatonga ny herin’Andriamanitra hiasa hiantoka ny fahatongavany. Noho izany, ny vavaka ataon’ny mpino ho an’ny mpitory Filazantsara dia miantoka ny fandrosoan’ny fitoriana ny Filazantsara. Koa raha tiana handroso ny fitoriana ny Filazantsara, tiana hiasa amin’ny mpitory Filazantsara ny herin’Andriamanitra, dia mila mivavaka ho an’ny mpitory Filazantsara ny mpino.

Fanontaniana:

Inona ny vavaka tokony tononinao ho an’ny mpitoriteny?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny fomba fivavaka

Alakamisy, 15 Oktobra 2026

Raha mivavaka ianao dia: 1. Aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy Nanan-danja teo amin’ny fiaina’ny…

Ny vavaka ataontsika

Alarobia, 14 Oktobra 2026

Ny vavaka ataontsika dia: 1. Mba ho amin’ny fiteny fantatry ny olona «Nefa raha ao…

Ny vavaka tao amin’ny sahan’i Getsem...

Talata, 13 Oktobra 2026

Ny vavaka tao amin’ny sahan’i Getsemane 1. Vavaka anehoana ny fiombonana sy fanohanana Tao ambanin’ny…