Ny olona matoky an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Oktobra 2026
Sal. 27, 1 - 3 / Hira 233 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 19
Salamo 23,1 - 6
1 [Ny Mpiandry Tsara] Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, 2 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy. 3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy. 4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. 5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno. 6 Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.Ny olona matoky an’Andriamanitra
- Miankina Aminy
« Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-jaza-mahory aho, mampandry ahy amin’ny ahimaitso Izy … »(and. 1 – 2)
Niatrika fanenjehana ny mpanao Salamo. Tsy maintsy nandositra tany an-tsaha sy tany anaty ala izy. Rehefa irery izy dia nametraka ny tokiny tamin’i Jehovah, niankina taminy. Tsy nanahy ny mpanao Salamo satria fantany fa tsy hamela azy irery Jehovah fa hikarakara azy. Araka izany, ny olona matoky an’i Jehovah dia tsy miroroa saina, matoky ny fiahiany sy ny fikarakarany; mahazo antoka fa hanome izay rehetra ilainy Andriamanitra. Jesoa Kristy no modely tsara indrindra amin’izany fahatokiana an’Andriamanitra izany. Matokia an’i Jehovah tahaka an’i Jesoa.
2- Mahatsapa ny fanatrehany
« Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra… » (and. 4)
Nandalo lalana sarotra ny mpanao Salamo, any amin’ny tanin’ny fahavalo, ary raha tratran’ny fahavalo dia mety ho faty. Tamin’izany indrindra no nahatonga azy nilaza fa tsy matahotra satria ao aminy Andriamanitra. Ny olona miaraka amin’Andriamanitra dia afa-tahotra. Andriamanitra tompon’ny hery sy fahefana no miaraka amin’ny olona matoky Azy. Noho izany, amin’ny fahatsapan’ny olona fa manatrika sy momba azy Andriamanitra dia mahatonga ny olona ho afa-tahotra. Koa aza matahotra fa momba anao ny Tompo ary matokia ny heriny sy ny fahefany.
Fanontaniana
Inona fomba fanafahana tahotra ataonao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady