Ny olona mahatsiaro ny tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 20 Oktobra 2026
Sal.91. 1-4/ Hira 39. 1, 4/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/HF 51
Joda 1,17 - 23
17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; 18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. 19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy] 20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; 21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. 22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana*; [* Na: raha miady aminareo izy] 23 ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.Ny olona mahatsiaro ny tenin’ny Tompo
1- Mahafantatra ny faharatsian’ny olona
« …fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, « (and. 18) Ny Jiosy dia nihevitra fa mizara roa miavaka tsara ny vanim-potoana: Izao andro izao dia andron’ny fikomiana, faharatsiana ary ny vanim-potoana ho avy dia hanjakan’ny fahamarinana. Ka ny fisian’ny fampianaran-diso samihafa izay mamitaka sy manome lanja ny filan’ny nofo dia efa nambaran’ny Apostoly izany. Raha miseho izany ankehitriny, dia midika ho fahatanterahan’ny tenin’ny Apostoly. Efa nampiomanina amin’ny faharatsian’ny olona ny mpino ka tsy tokony hanozongozona ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fisian’ireny, fa vao mainka mampiorina mafy.
2- Mihazona ny finoana
« Fa hianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoana masina indrindra…. » (and.20). Ny fitanisana ireo toetra tokony hananan’ny mpino dia manome andraikitra azy hahatsiaro ny fanekeny. Ny mpino dia velona, manompo an’i Kristy araka izay azony atao; saingy miakina amin’Andriamanitra avokoa izany rehetra izany. Ary izany indrindra no tsy maintsy ihazonana mafy ny finoana, angatahana amin’ny Fanahy Masina mba hampahery hatrany satria efa ho avy i Jesoa Kristy. Andraikitry ny mpino ny mihazona ny tenany tsy ho tafasaraka amin’ny fitiavan’i Kristy mandra-pihaviny. Ary raha misy mitady hiala amin’ny fahamarinana dia averina amin’ny finoana an’i Kristy izy.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba hihazonanao ny finoana an’i Kristy?
Foibe Sampana Sekoly Alahady