Ny mampiavaka ny mpandresy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Aprily 2026

Sal 18 / Hira 639 / Vavaka/ Mofonaina / Vavaka / Hira 635

2 Samoela 21,1 - 7
1 [Ny amin'ny mosary naharitra telo taona] Ary nisy mosary telo taona misesy tamin'ny andron'i Davida, ary Davida nanontany tamin*'i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin'ny taranak'i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.[Heb. nitady ny tavan'] 2 Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny Zanak'Isiraely sy ny Joda), 3 ary hoy Davida tamin'ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin'inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan'i Jehovah? 4 Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin'i Saoly na amin'ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin'ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo? 5 Dia hoy izy ireo tamin'ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra 6 no avelao hisy fito lahy amin'ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an'i Jehovah ao Gibean'i Saoly, ilay voafidin'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy. 7 Fa ny mpanjaka niaro an'i Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, noho ny fianianana tamin'i Jehovah nataon'i Davida sy Jonatana, zanak'i Saoly.

Ny mampiavaka ny mpandresy

1-Mihaino ny toromarika avy amin’ny Tompo

« Ary Davida nanontany tamin’i Jehovah… » (and1b): Nangataka amin’ny Tompo i Davida, nitady tamin’ny fony, naniry fatratra ahalala ny anton’ny mosary telo taona nisesy. Nihaino an’i Davida ny Tompo ary namaly azy. Nihaino fatratra ny valintenin’ny Tompo koa i-Davida; Ny fototry ny fandresena dia ny fifandraisana lalina amin’ny Tompo. Jesoa dia nifandray tsy tapaka tamin’ny Rainy, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra.

2-Manana fahaiza-mihaino

« Inona no hataoko ho anareo…mba hitsofanareo rano ny lovan’i Jehovah? » (and3). Nampahafantarin’ny Tompo an’i Davida fa tsy nahatanteraka ny fianianana izay efa nifanaovana i Saoly (and2). Ilaina araka izany ny fifandaminana mba hialana amin’ny tsiny avy amin’ny olona sy avy amin’ny Tompo. Ny fahefana teo am-pelatanan’i Davida dia nampiasainy amin’ny fahaiza-mihaino. Tsaroana etoana ny fanontanian’i Jesoa hoe: « Inona no tianao hataoko aminao? » Ilaina ny mamantatra ny olana sy ny soso-kevitra avy amin’ny hafa.

3-Mitandro ny fanekena tamin’Andriamanitra

« Fa ny mpanjaka niaro an’i Mefiboseta…noho ny fianianana tamin’i Jehovah nataon’i Davida sy Jonatana » (and7): Nanaiky ny fangatahan’ny Gibeonita i Davida. Narovany anefa ny fianianana izay efa nataony. Zava-dehibe ny fanarahana izay efa nekena fa izany no isan’ny mitondra amin’ny fiarovan’ Andriamanitra antsika.

Fanontaniana

Inona avy ireo paikan-damina narahan’i Davida eto?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny fiainan’ny Mpandresy

Zoma, 17 Aprily 2026

Ny fiainan’ny mpandresy 1-Mifaly amin’ny herin’Andriamanitra « Jehovah o, ny herinao no hifalian’ny mpanjaka » (and 1a):…

Ny vehivavy mpandresy

Alakamisy, 16 Aprily 2026

Ny vehivavy mpandresy 1-Mihevitra ny tokan-tranony “Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony” (and…

Mifalia, avy ny mpanjakanao

Alarobia, 15 Aprily 2026

  Mifalia, avy ny mpanjakanao Betsaka ny antony mahatonga ny olona hifaly ary isan’ny zavatra…