Mifalia, avy ny mpanjakanao

Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Aprily 2026

Sal 25, 1-4 / Hira 39 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 445

Zakaria 9,9 - 10
9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho at? aminao][**heb. voavonjy] 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata]

 

Mifalia, avy ny mpanjakanao

Betsaka ny antony mahatonga ny olona hifaly ary isan’ny zavatra tsara irin’ny olona hisy eo amin’ny fiainany mandrakariva izany. Mifamadibadika eo anefa ny fifaliana sy ny fitomaniana eo amin’ny fiainana (cf Mpitor. 3. 4). Tena fanehoana ny fihatseham-pon’ny olona ny fifaliana, kanefa koa dia tena toetra ananany koa izay mifototra amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra (cf Rom 15. 13). Ny fifalian’ny olona, raha ny marina dia mifamatotra amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy indrindra (Lio 2. 10-11; 19. 37). Izany koa no ambaran’i Zakaria eto: Mifalia, manaova feo fifaliana, avy ny Mpanjakanao ary heverina fa tena ho antsika koa izany, indrindra ho an’izay mino an’ Jesoa Kristy. Ny antony lehibe tena hifaliana izany dia ny fahatongavan’ny mpanjaka, saingy tsy noho ny famirapiratany amin’ny maha mpanjaka Azy, tahaka izay misy eo amin’ny mpanjakan’ny olona, fa noho Izy avy amin’ny fanetren-tena ho mariky ny famonjeny ny mino Azy sahady.

Hampandry fahalemana sy fiadanana

Milaza faminaniana milaza izay hataon’i Jesoa Kristy tamin’ny fiaviany ho olona izany, izay hitondra fiadanana ho an’ny mino Azy (Lio 2. 14). Ankoatra izany anefa dia tena fitenin’i Jesoa Kristy ary nanirahany ny mpanatra koa ny hizara fiadanana ho an’ny hafa rehetra (Mat 10. 13, Lio 10. 6; 24.36; Jao 16. 33) izany hoe hanomana fiadanana ho an’ny olona Izy, izao sy amin’ny fiainan-ko avy koa.

Fanontaniana:

Inona no tena zava-mahafaly ny olona eo amin’ny fiainana?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny finoana no mahavonjy sa i Jesoa K...

Talata, 14 Aprily 2026

Ny finoana no mahavonjy sa i Jesoa Kristy? Nisy ity vehivevy narary an-taonany maro ity,…

Ny kristiana

Alatsinainy, 13 Aprily 2026

Ny Kristiana. Avy amin’ny anaran’i Kristy ny anarana hoe: Kristiana; izany hoe mpanara-dia an’i Jesoa…

Izao tontolo izao

Alahady, 12 Aprily 2026

Izao tontolo izao Milaza inona ny hoe: « izao tontolo izao »? Misy hevitra maro samihafa ilazana…