Ny vehivavy mpandresy
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Aprily 2026
Sal 15 / Hira 643 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka /Hiva 642
Ohabolana 14,1 - 3
1 Ny vehivavy hendry* dia samy manao ny tranony; Fa ny adala** kosa mandrava ny tranony amin'ny tànany.[*Heb. fahendren'ny vehivavy][**Heb. fahadalana] 2 Mandeha mahitsy izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy. 3 Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.Ny vehivavy mpandresy
1-Mihevitra ny tokan-tranony
“Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony” (and 1):
Ny fahendrena eto dia ny fahaizana mampihatra ny fahalalana ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny fiainana andavanandro, amin’ny fitondrantena sy fanapahan-kevitra. Ny hoe manao trang indray dia midika hoe manorina, manangana (trano, fianakaviana, firenena…). Ny vehivavy hendry dia mpandresy ka Manatanteraka am-pahendrena ny fikoloana ny tokantranony. Tsy mba variana amin’ny rehak’izao fiainana izao, na sanatria lany andro amin’ny resaka tsy mampandroso fa vehivavy azo alain-tahaka. Mahay mitantana, mitondra fiadanana sy firindrana, mampiasa tanany amin’ny tsara (Oha 31, 10-31). Fanasina sy fahazavana (Mat 5, 13-14). Manaiky ny vadiny tahaka ny anekena ny Tompo (efe 5, 22)
2-Mandeha mahitsy, miaro ny lelany
Ny fandehanana mahitsy sy ny fiarovana ny lela dia toy ny vary sy rano ka tsy afaka misaraka. Ny hoe mandeha mahitsy (and 2) dia midika hoe miaina amin’ny fahamarinana ary mandeha araka ny tondrozotra avy amin’ny Tompo Jesoa. Tsy mijanona amin’izany ihany fa ny fahendrena dia miaro ny lela (and 3) ka miteny amin’ny fitiavana, amin’ny fanetren-tena. Finoana arahana asa no ilaina. Jesoa Kristy Tompo dia mamela fianarana ho antsika tamin’ny Teniny sy ny asany. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, mitarika antsika amin’ny fiainana araka ny sitrapon’ Andriamanitra.
Fanontaniana
Inona avy ireo mampiavaka ny vehivavy mpandresy ?
Foibe Sampana Sekoly Alahady