Ny fiomanana sy ny fahavononana amin’ny fiavian’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Novambra 2026
Sal 93. 1-5 / Hira 171: 1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432: 1,2
Matio 25,1 - 13
1 Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany* ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.[*Na: fanilony] 2 Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. 3 Fa ny adala nandray ny fanalany*, nefa tsy nitondra solika fitaiza;[*Na: fanilony] 4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany*.[*Na: fanilony] 5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. 6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy. 7 Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany*.[*Na: fanilony] 8 Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay*.[*Na: fanilonay] 9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo. 10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. 11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay. 12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo. 13 Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.Ny fiomanana sy ny fahavononana amin’ny fiavian’ny Tompo
Misy dingana roa ny fampakaram-bady teo amin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa, ny iray fifamofoana (fifanekena), ary herintaona aorian’izay vao fanambadiana ka miara-monina amin’izay ny mpivady. Amin’io fanambadiana io, ny lanonana dia atao aorian’ny filentehan’ny masoandro. Ary samy efa mitondra fanala avokoa ny rehetra. Faranan’i Jesoa amin’ny hoe «Miambena» ny fanoharana. Inona tokoa ary ny atao hoe miambina?
1. Miandry amim-pitoniana
Filaza mandidy ny hoe « miambena », ny heviny dia tsy hoe tsy matory indray maka, fa mitohy mandra-piavian’i Jesoa. Tsy ny fotoana loatra no zava-dehibe eo, fa ny fahavononana sy ny fifandraisana lalina amin’i Jesoa isanandro. Tsy mitady ny hamantatra ny hoe rahoviana fa ny ho vonona mandrakariva.
2. Miandry sady miasa
Raha ny firafitry ny Mat 25, dia mialoha ny fitsarana ny firenena ity fanoharana ity. Fitsarana mahakasika ny asa (nanome hanina, nampitafy, namangy…) ary asa mitodika amin’ny hafa avokoa ireo. Noho izany, tsy ny fanahy ihany no miomana fa ny atao koa mila mifandraika amin’izany. Koa mandra-piverin’i Jesoa dia ampiharo ny Teniny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Mat 22.39).
3. Miandry sady miombona
Noho Tsy mitodika amin’olon-tokana ny baiko hoe « miambena ». izany, ao anaty fiombonana sy fifampahatsiahivana no hahazoana antoka fa raha avy i Jesoa dia miara-mandova ny fanjakan’ny lanitra ny Fiangonana, Mifampahery, mifananatra, mifampitsinjo, mifampihevitra. Anjarantsika ny mifanaitra mba tsy hiara-rendrehana (and 5). Aoka hifampihevitra sy hifampitarika ho amin’ny tsara!
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fiomananao sy ny fahavononanao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady