Ny irak’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Jolay 2026

Sal. 106. 1-5 / Hira 28 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 8

Eksodosy 32,30 - 35
30 [Ny nifonan'i Mosesy, sy ny navalin'Andriamanitra azy] Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin'i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny fahotanareo. 31 Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy. 32 Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako. 33 Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko. 34 Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin'izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin'izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho. 35 Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon'i Arona.

Ny irak’Andriamanitra

1- Mifona ho an’ny vahoaka

« Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! » (and. 32a)

Vavaka fifonana nataon’i Mosesy ho an’ny Zanak’Isiraely noho ny nanaovan’izy ireo ny ombilahikely volamena. Mitondra ny fahadisoan’ny vahoaka eo anatrehan’Andriamanitra i Mosesy. Sady niombona tamin’ny fifonana ho an’ny vahoaka i Mosesy no mangataka famelana ho azy ireo. Fianarana ho an’ny mpitarika koa izany, tsy ho mpanilika ny fahadisoana ho amin’ny vahoaka tarihina na amin’ny olona entina fotsiny ihany fa mivavaka sy mifona ho azy ireo ihany koa amin’ny tsy mety nataony. Ary modely amin’izany i Jesoa Kristy Ilay nivavaka ho an’ny mpianany ho fiarovana ny Apostoly amin’ny ratsy.

2- Milaza ny maha olom-boafidy azy

« fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ny bokinao izay nosoratanao ny anarako. » (and. 32b)

Teo amin’ny Zanak’Isiraely dia nisy ny boky mirakitra ny anaran’ny ankohonana, ny fianakaviana, ny foko, ary ny vahoaka rehetra. Ka ny olona rehetra voasoratra ao anatin’ny Boky dia olom-boafidin’ Andriamanitra avokoa. Anisan’izany i Mosesy sy ny vahoaka. Ka ny famafana ny anarana ao anatin’ny bokin’ Andriamanitra dia midika ho fanalana azy tsy ho olom-boafidy intsony. Ao anatin’ny ady varotra ataon’ny mpitarika, ho fifonana ho an’ny vahoaka entiny, ny mampahatsiahy an’Andriamanitra fa izy dia olom-boafidy, Andriamanitra no nifidy azy hitarika ny vahoakany. Jesoa Kristy no modely amin’izany.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny mpampiasa tsy mifona ho an’ny eo ambany fahefany?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny fahalehibiazan’i Kristy amin’izao...

Talata, 30 Jona 2026

Ny fahalehibiazan’i Kristy amin’izao tontolo izao. Paoly Apostoly mitondra fampianarana ho an’ny Kolosiana manoloana ireo…

Valinteny feno fahefana

Alatsinainy, 29 Jona 2026

  Izao mofonaina izao dia mitantara ny namalian’i Jesoa ny fanontanian’ny mpanora-dalàna iray momba ny…

Derao ny Tompo

Alahady, 28 Jona 2026

Derao ny Tompo Ity mofonaina ity no fizarana farany amin’ny fiderana sady fitaomana hidera ny…