Derao ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Jona 2026
Sal.107,1-3 / Hira. 15 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira. F.45
1 Tantara 16,28 - 36
28 Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah. 29 Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina 30 Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika. 31 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin'ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka. 32 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy. 33 Dia hihoby eo anatrehan'i Jehovah amin'izay ny hazo an'ala; Fa avy hitsara ny tany Izy. 34 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony. 35 Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao. 36 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an'i Jehovah.Derao ny Tompo
Ity mofonaina ity no fizarana farany amin’ny fiderana sady fitaomana hidera ny Tompo noho ny fahatongavan’ny fiaran’ny faneken’ Andriamanitra tao Jerosalema. Derao ny Tompo satria:
1. Andriamanitra Masina Izy (And.28-30)
Masina ny Tompo satria masina ny anarany. Noho izany omena Azy ny voninahitra satria efa Azy hatrizay ary ho Azy mandrakizay. Ny fitondrana fanatitra sy ny fiankohofana co anatrehany dia hanekena koa ny fahamasinany. Koa raha manatona Azy dia tsy maintsy amin’ny fahamasinana. » fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo » (Heb. 12,14b). Soa fa efa nohamasinina tao amin’i Jesoa Kristy isika ka afaka mihaona sy mifandray tsara amin’ny Tompo.
2. Mpanjakan’izao rehetra izao Izy (And.31-33)
Voalaza eto avokoa ny zavatra rehetra izay anjakan’ny Tompo: lanitra, tany, ranomasina, hazo. Maneho izany. fa tsy Mpanjakan ‘Isiraely ihany Izy fa ny firenena rehetra mihitsy. Ary ny fanjakany dia hiteraka fifaliana ho an’ny rehetra satria hanao zavatra tsara indray Izy amin’ny fitsarany. Fitsarana izay mikatsaka fiadanana sy fahamarinana ka hamelona hatrany ny fanantenana ho an’ny rehetra.
3. Mpamonjy be famindrampo Izy (And.34-36)
Noho ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny famindrampony dia mamonjy Izy. Tsy noho nataon’ny olona anefa fa noho Izy mitoctra ho mahatoky amin’ny fanekeny. Izy irery ihany no hany tokana Mpamonjy (Isa.43,11). Endrika iray hanehona ny famonjeny ny fanangonany ny olony na dia lasa babo lavitra any aza. Jesoa Kristy Mpamonjy dia hanangona ny rehetra ho ao amin’ny valany ka ho tonga andiany iray (Jao. 10,16).
Fanontaniana:
Inona no mahatonga anao hidera an’Andriamanitra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady