Valinteny feno fahefana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Jona 2026

Sal.86.11-13 / Hira. 482.1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira.640

Marka 12,28 - 34
28 Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra? 29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; 30 koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5). 31 Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. 32 Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. 33 Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany. 34 Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

 

Izao mofonaina izao dia mitantara ny namalian’i Jesoa ny fanontanian’ny mpanora-dalàna iray momba ny didy.

Valinteny feno fahefana :

1. Mampihaiky ny manam-pahaizana

Maro ny didy ao amin’ny lalàna izay nomen’Andriamanitra an’i Mosesy mba harahina teo amin’Isiraely. Kanefa na ny mpanora-dalàna izay natao hoe mpahay lalàna aza dia tsy afaka nandahatra izay didy lehibe amin’izy rehetra ka nanontany an’i Jesoa. Avy hatrany dia namaly Jesoa. Voafehy sady voafintina ary nalahatr’i Jesoa tsy am-pisalasalana ny didy tamin’ny valinteny mazava nomeny. Ny voalohany dia ny fitiavana an’Andriamanitra ary ny faharoa kosa ny fitiavana ny namana. Didy lehibe roa tsy afa-misaraka (1.Jao.4,20). Nihaiky tamin’ny fanajana ilay manam-pahaizana amin’ny lalana, ka hoy izy: « Marina izany, Tompoko ». Toy ny olona avy nampianarina ilay mpampianatra lalàna iray eto.

2. Mampangina ny fahavalo

Rehefa voavalin’ny Tompo ny fanontaniana dia resy lahatry ny fahamarinan’ny valin-teny ilay mpanora-dalana. Tsy nanaiky fotsiny fa nanamafy mihitsy fa tsara lavitra noho ny fantitra ireo didy lehibe ireo. Tafatoetra tsara ny fahefan’ny Tompo satria ireo voasokajy ho nitsangana ho fahavalony ka mamandrika azy amin’ny fanontaniana dia manaiky ankehitriny. Notohizan’i Jesoa tamin’ny endrika fitsarana ny resaka ka nilazany fa tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ilay nanontany. Mbola fisehoan’ny fahefana hatrany izany. Vokany, tsy nisy sahy nametraka fanontaniana « intsony ». Tsy nila niteny mafy i Jesoa, fa ny valin-teny feno fahendrena dia ampy nampangina ireo nitsangana ho fahavalony.

Fanontaniana:

Inona no mampisalasala amin’ny fahefan’ny Tenin’i Kristy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Derao ny Tompo

Alahady, 28 Jona 2026

Derao ny Tompo Ity mofonaina ity no fizarana farany amin’ny fiderana sady fitaomana hidera ny…

Ny fampianaran’i Jesoa

Asabotsy, 27 Jona 2026

Ny fampianaran’i Jesoa Ity Soratra Masina ity no mamarana ny toritenin’i Jesoa teny an-tendrombohitra, izay…

Maneho ny heriny amin’ny alalan’ny m...

Zoma, 26 Jona 2026

Maneho ny heriny amin’ny alalan’ny mpanompony ny Tompo. Mitaona hisaotra sy hankasitraka ny Tompo noho…