Ny fahalehibiazan’i Kristy amin’izao tontolo izao.
Mofonaina anio: Talata, faha 30 Jona 2026
Sal.66,1-4 / Hira.8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira.470:1,4,5
Kolosiana 1,15 - 20
15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; 16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy et? ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana*, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; [* Gr. seza fiandrianana] 17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. 18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana*; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [* Gr. eklesia] 19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra, 20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny et? ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.Ny fahalehibiazan’i Kristy amin’izao tontolo izao.
Paoly Apostoly mitondra fampianarana ho an’ny Kolosiana manoloana ireo fampianaran-diso niely tamin’izany. Asehony eto: Ny fahalehibiazan’i Kristy amin’izao tontolo izao.
1. Andriamanitra Izy (and.15-17)
Jesoa no maneho feno sy tanteraka an’Andriamanitra Ray izay tsy hita maso fa inoana. Hoy Jesoa: « izay mahita Ahy dia mahita ny Ray » (Jao. 14,9b). Ny fahalalana an’i Jesoa dia mitarika ho amin’ny fahafantarana an’Andriamanitra. Jesoa voalaza eto fa Lahimatoa. Midika izany fa nateraka Izy fa tsy nohariana tahaka ny zavaboary rehetra ary efa nisy talohan’irco Izy. Tao Aminy sy noho Aminy, ary ho Azy no naharina ny zavatra rehetra. Ary mbola Izy no anton’ny faharetan’ireo rehetra ireo. Manandratra ny maha Andriamanitra Azy koa izany. Ampy ho anao Jesoa ka aza mitady andriamanitra na mpanelanelana hafa intsony.
2. Mpavotra Izy (and.18-20)
Voalaza eto fa Kristy no lohan’ny Fiangonana, izay heverina ho fahariana vaovao amin’ny alalany. Lohany mitondra fiainana vaovao. Noho ny fitiavan’ Andriamanitra ny olona rehetra no niaretan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana ka nandatsahany ny ràny, ary niafara tamin’ny fahafatesany mba hanavotany ny olona. Resiny ny fahotana sy ny fahafatesana. Vokany, vita fihavanana amin’Andriamanitra izay mino an’i Jesoa Kristy. Ny fitsanganany tamin’ny maty no santatry ny fandresen’izay rehetra mino Azy, mandalo ao amin’ny fahafatesana ho amin’ny tena fiainana. Izy irery ihany no antoky ny famonjena ny olombelona rehetra. Koa maneke, ary minoa ny maha Mpamonjy sy Mpanavotra Azy.
Fanotaniana:
Nahoana no mitady zavatra hafa anketry i Kristy irco efa mahalala Azy sasany?
Foibe Sampana Sekoly Alahady