Ny fifandraisana eo amin’ny finoana sy ny asa

Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Septambra 2026

Sal 46 / Hira 171 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 307

Jakoba 2,14 - 26
14 [Ny fahafoanan'ny finoana tsy misy asa] Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? 15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro, 16 ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany? 17 Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. 18 Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako. 19 Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. 20 Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? 21 Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara? 22 Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa; 23 ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8). 24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany. 25 Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa? 26 Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.

Ny fifandraisana eo amin’ny finoana sy ny asa:

1- Asehoy amin’ny alalan’ny asa ny finoanao.

Fantatra fa « ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita » (Heb11,1).

Eo ny didy manao hoe: « Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra, tiava ny namanao tahaka ny tenanao ». Aseho amin’ny asa ny fanatanterahana ireo didy lehibe ireo. Voasoratra fa « Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany? » (1Jao 4.20). Araka izany, mifamatotra akaiky ny hetsika hita maso sy ny finoana ny tsy hita maso. Asehoy amin’ny asa ny finoana.

2-Hamarinina amin’ny asa isika, ary vonjena amin’ny finoana

« …Hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany » (Jak2,24): Samy zava-dehibe, na ny asa, na ny finoana. Ny fanavahana ny osy sy ondry ao amin’ny Mat 25,31-46; ny fahasambaran’ireo « maty ao amin’ny Tompo sy ny asany manaraka azy (Apo 14,13), dia samy maneho fa hamarinina amin’ny asa isika. Tsy azo avela anefa ny finoana an’i Jesoa izay fototry ny famonjena antsika. Tsarovy ary, fa maty ny finoana tsy misy asa.

Fanontaniana

Samy zava-dehibe ny finoana sy ny asa, nahoana?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Manana tanjona mazava isika

Asabotsy, 26 Septambra 2026

Manana tanjona mazava isika ka 1- Tohizo hatrany ny hazakazaka masina « Mihazakazaha toy izany mba…

Ireo andraikitra miandry antsika

Zoma, 25 Septambra 2026

Ireo andraikitra miandry antsika 1-Manaraka tsara ny fampianarana natolotra « Ary mandidy anareo izahay…mba hialanareo amin’ny…

Manoloana ny asa fanarenana atao am-...

Alakamisy, 24 Septambra 2026

Manoloana ny asa fanarenana atao am-pinoana 1- Mampahery sy maniraka hiasa ny Tompo « Mahereza ianareo…