Manana tanjona mazava isika
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 26 Septambra 2026
Sal 139 / Hira 622 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 303
1 Korintiana 9,24 - 27
24 Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. 25 Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò. 26 Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; 27 fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.Manana tanjona mazava isika ka
1- Tohizo hatrany ny hazakazaka masina
« Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo » (and24b):
Ny mpihazakazaka dia manana hafainganam-pandeha mafy kokoa mihoatra ny mpandeha tsotra. Misy lalan-kizorana mazava; ary manana tanjona voafaritra tsara. Mazava ny toromarika pratika nomena antsika momba izany: « Hazakazaka masina » momba ny fahamarinana, fianakaviana, tanindrazana, tontolo iainana. Mizotra mankaiza ary ny fiainam-pianakavianao? Manakory ny fikolokoloanao ny tontolo iainana? Mandeha amin’ny fahamarinana hatrany tokoa ve? Inona no anjarabirikinao eo amin’ity tanindrazana iaraha-manana ity? Aza variana na mitoditodika ianao. Mitandrema tsara sao lavo!
2- Mahonona tena amin’ny zavatra rehetra
Manana fitsipi-pifehezana manokana ny mpihazakazaka. Mifehy tena izy amin’ny sakafo, torimaso ampy tsara, fialam-boly voasaina tsara, manao fanazaran-tena mitohy, mikolokolo ny tenany amin’ny maha Tempolin’ny Fanahy Masina azy. Miala amin’ny fanaon’izao tontolo izao, sahy miavaka amin’ny maro. Mandeha amin’ny fahamasinana.
3-Katsaho hatrany ny satroboninahitra tsy mety ho lo
Manam-petra ireo valim-pitia azontsika Izay omanin’ny Tompo ho antsika dia maharitra mandrakizay. eto an-tany.
Fanontaniana
Mizotra tsara ve ny hazakazaka masina any aminareo?
Foibe Sampana Sekoly Alahady