Ireo andraikitra miandry antsika

Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Septambra 2026

Sal 145 / Hira 305 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 308

2 Tesaloniana 3,6 - 13
6 Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay. 7 Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay, 8 ary tsy nihinana foana izay hanin'olona, fa niasa andro aman'alina tamin'ny fikelezan'aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza; 9 tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay. 10 Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy. 11 Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an'olona. 12 Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin'i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin'ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany. 13 Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.

Ireo andraikitra miandry antsika

1-Manaraka tsara ny fampianarana natolotra

« Ary mandidy anareo izahay…mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay. » (and.6): Nisy ireo nitondra fampianaran-diso momba ny andron’ny Tompo (2Tes2,2-3). Nisy fiantraikany teo amin’ireo mpino sasany izany. Nanjary niraviravy tanana sy kamo hiasa izay nandray an-jambany izany. Ny fiandrasantsika ny fiverenan’i Jesoa eny amin’ny rahon’ny lanitra dia vao mainka mampirisika antsika hiasa, hiasa tsara, hiasa tsy tapaka. Amin’ny fiahiana ny ankohonana, amin’ny fitoriana ny Filazantsara, amin’ny fanatanterahana ny fanompoana. Araka izany dia ilaina ny mihaino sy manaraka tsara ny fampianarana omen’ny raiamandreny mpiahy.

2- Miasa tsara amin’ny fiadanana

« Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy » (and10).

« Ary izay manao toy izany dia didianay sy anarinay ao amin’i Jesoa Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany » (and12). Samy nomen’ny Tompo saina sy tanana aman- tongotra isika. Samy tolorany saina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mampianatra antsika Jesoa mba hampitomboantsika ny talenta nomena antsika (Mat 25,15)

Fanontaniana

Inona avy ireo andraikitra miandry antsika mpino?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Manoloana ny asa fanarenana atao am-...

Alakamisy, 24 Septambra 2026

Manoloana ny asa fanarenana atao am-pinoana 1- Mampahery sy maniraka hiasa ny Tompo « Mahereza ianareo…

Ny olom-boafidin’Andriamanitra

Alarobia, 23 Septambra 2026

Ny olom-boafidin’ Andriamanitra I-Miasa amin’ny fanantenana « Satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana… »…

Ny mpino miasa amin’ny finoana

Talata, 22 Septambra 2026

Ny mpino miasa amin’ny finoana 1-Matoky ny Tompo, ka manao soa. Eo anatrehan’ny toe-javatra izay…