Manoloana ny asa fanarenana atao am-pinoana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 24 Septambra 2026

Sal 122 / Hira FF.3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 731

Hagay 2,1 - 9
1 [Ny voninahitry ny tempoly vaovao, sy ny fitahiana ho azon'ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny andro fahiraika amby roa -polo tamin'ny volana fahafito no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe: 2 Lazao amin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy amin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin'ny sisa amin'ny vahoaka hoe: 3 Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha ? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity? 4 Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, 5 araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo. 6 Fa izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; 7 ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 8 Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 9 Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Manoloana ny asa fanarenana atao am-pinoana

1- Mampahery sy maniraka hiasa ny Tompo

« Mahereza ianareo vahoaka rehetra ka miasa » (and4): Ny bokin’i Hagay dia ahitana fampirisihana amin’ny fanarenana ny Tempoly. Ampirisihin’ny Tompo ny governora, ny mpisoronabe, ary ny vahoaka rehetra mba hiasa, hijoro hatrany, tsy ho ketraka, hihamatanjaka eo am-panatanterahana ny asa fanarenana ny Tempoly. Ny Tempoly dia isan’ny toerana maneho ny fanatrehan’ny Tompo, ahafahana manatitra fanatitra. Ahafahana mihaino ny hafatry ny Tompo. Jesoa Tompo dia nanome lanja ny fandehanana tany amin’ny Tempoly (Lio 2. 49)

2- Momba ny mpanompony Izy

« Fa Izaho no momba anareo hoy Jehovah Tompon’ny maro »: Tsy hoe mampahery sy mampirisika hanarina ny Tempoly ihany ny Tompo, mampanatena Izy fa tsy hamela ny mpanompony hiasa irery. Hatramin’izao, Jesoa Tompo dia mbola manamafy fa momba antsika mandrakariva (Mat 28. 20). Hery lehibe ho antsika izany.

3-Manome fitahiana, fiadanana Izy

« Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah…ary eto amin ‘ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana » (and 8-9). Azo antoka ny fahavitan’ny asa tanterahina amin’ny finoana sy fankatoavana ny Tompo.

Fanontaniana

Inona avy ireo toky omen’ny Tompo ny mpanompony?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny olom-boafidin’Andriamanitra

Alarobia, 23 Septambra 2026

Ny olom-boafidin’ Andriamanitra I-Miasa amin’ny fanantenana « Satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana… »…

Ny mpino miasa amin’ny finoana

Talata, 22 Septambra 2026

Ny mpino miasa amin’ny finoana 1-Matoky ny Tompo, ka manao soa. Eo anatrehan’ny toe-javatra izay…

Ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Naz...

Alatsinainy, 21 Septambra 2026

Ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta 1-Anarana miavaka « Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any…