Mitondra fahendrena
Mofonaina anio: Talata, faha 04 Aogositra 2026
Sal. 96, 1-3 / Hira 18, 1-4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 314. 3
Ohabolana 13,13 - 20
13 Izay manamavo ny teny ho voasingony*; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.[Na: mahavery tena] 14 Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana. 15 Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan'ny mpivadika. 16 Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana; 17 Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana*.[Na: fanasitranana] 18 Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra. 19 Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka*; Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy. [Na: efa mitranga] 20 Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza*.[Na: ho ratsy]Mitondra fahendrena
1. Fanajana ny Tenin’Andriamanitra
«Izay manamavo ny teny ho voasingony; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.» (and. 13) Toy ny lalàna sy torolalana amin’ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra. Ny olona manamavo azy dia miaina ho amin’ny vokatra ratsy; fa ny mamaky sy mankato kosa dia mitondra any amin’ny fitahiana. Ilaina araka izany ny mamaky sy mandinika Soratra Masina, ary manaiky ny didin’Andriamanitra.
2. Fandraisana fampianarana
«Ny fampianaran’ny hendry dia loharanon’aina .» (and.14a) Misy torohevitra lehibe eto izay miaro ny fiainana ka manampy hiala amin’ny fahadisoana sy ny loza. Mila henoina ny fampianaran’ny hendry satria loharananon’aina mitondra fanasitranana izany. Nanome toerana lehibe ho amin’ny fampianarana Jesoa Kristy tamin’ny toriteny nataony.
3. Fananana fahalalana mendrika
Mahatonga ny olona ho hajaina ny fananana fahalalana sy ny fihainoana anatra. Mahatonga ny olona iray hahazo fitia avy amin’ny olobelona sy avy amin’Andriamanitra izany. Sarotra ho an’ny mivadika izany, fa ny mpivadikavdia mitondravmankany amin’ny fahasimbana.
4. Fanaovana safidy tsara
«’Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza. » (and. 20) Mamaritra ny ho avy ny mifidy fiaraha-monina tsara. Arakaraky ny namana eo amin’ny fiaraha-monina ny ezaka ataonao. Raha manana namana tsara hianao dia hahavita hanangana, fa raha miaraka amin’ny naman-dratsy kosa dia tonga any amin’ny fahasimbana. Fiainana mankato an’Andriamanitra ny fiainan’ny hendry, ary tzna safidy tsara ny fiarahana amin’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana :
Manao ahoana ny toetry ny fiarahamonina misy?
Foibe Sampana Sekoly Alahady