Ny fahasambaran’ny olona mahatoky
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 01 Aogositra 2026
Sal. 103,1-3 / Hira 167,1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 336. 2
Salamo 1,1 - 2
1 [BOKY VOALOHANY][Ny tsi-fitovian'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy] Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira; 2 Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MPINO
Ny fahasambaran’ny olona mahatoky.
1. Ny fahasambarana dia avy amin’ny safidy ataon’ny olona.
Sambatra: toetry ny olona misitraka ny fitahiana avy amin’ Andriamanitra. Mizotra amin’ny fahatsarana hatrany ny fiainany, ary toa zary mifanohitra amin’ny dingana miharatsy:
- Mandeha: manaraka hevitra ratsy
- Mijoro: manomboka miaina amin’ny faharatsiana;
- Mipetraka: toa lasa fomba fiainana ilay tsy mety.
Manomboka mizotra amin’ny eritreritry ny fahalavoana ny olona ao amin’io, ary raha tsy voatandrina dia lasa fiainana ka miafara amin’ny fahaverezana. Koa ny fahasambarana àry, dia ny safidin’ny olona hiala amin’izany lalana tsy izy ihany.
2.Ny fahasambarana dia mitarika fifaliana amin’ny lalan Andriamanitra.
Ny lalàna dia tsy didy fotsiny ka natao hotandremana fa fampianaran’Andriamanitra mitarika ny mpino iray ho amin’ny fiainana tsara sady maharitra.
- Tonga mifaly amin’ny Tenin’Andriamanitra
- Mitoetra amin’ny maha olo-marina azy ka misaina ny andro aman’alina: mamaky, Tenin’Andriamanitra mamerimberina, mampiditra ao am-po. Mitondra fifaliana ho azy ny fiainana izany. Ny mpino dia tokony hiaina amin’ny fahasambarana avokoa satria tsy ny fiainana ivelany no mibaiko azy fa ilay safidy sy ny Tenin’ Andriamanitra voarainy.
Fanontaniana:
Inona koa no heverinao fa mahasambatra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady