Ny amin’ny olona mahatoky
Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Aogositra 2026
Sal. 106, 1-5 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 28
Matio 24,45 - 51
45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana? 46 Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. 47 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. 48 Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko, 49 ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo, 50 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, 51 dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.[*Na: hokapohiny mafy]Ny amin’ny olona mahatoky
1. Ilain’Andriamanitra (and. 45)
Efa akaiky ny andron’ny Tompo ary aoka heverina fa ny andro iainana isan’andro dia ho toy ny andro farany. Mitarika amin’ny fandalana ny rariny sy ny fahamarinana izany. Mila mpanompo tsara ny Tompo ny mpino ka ho olona mahatoky amin’ny adidy, manatanteraka an-tsakany sy andavany ny asa nomena azy, ary ho olona vonona hijery sy hikarakara ny hafa. Andriamanitra dia manankina asa amin’ny olona tsirairay, araka ny fanomezam-pahasoavana nomena azy.
2. Mahatsapa ny andraikitra nomena azy (and. 46-47)
Sambatra ny mpanompo miasa rehefa tonga ny tompony ka mahita azy eo am-panatanterahana ny andraikitra izay nomena azy. Mila miasa mandrakariva ho an’ny Tompo isika satria tsy fantatra ny fotoana hiverenany. Mila vonona hatrany ihany koa ary mila mahatsapa fa ny fahatokiana amin’ny zavatra kely dia mitondra fitahiana be.
3. Mahatakatra ny loza miandry ny mpanompo ratsy (and. 48-51)
Ny fiheverana ny fahelan’ny fihavian’ny Tompo no mitarika ny olna amin’ny fanararaotana amin’ny zava-dratsy, mietraketraka amin’ny namany, manara-po amin’ny fahotana. Mila mitandrina isika fa ny fahatongavan’ny Tompo tampoka dia hisian’ny fitsarana avy hatrany. Tsy misy fotoana handinihana intsony amin’izany.
Hafatra ho anao : Meteza ho mahatoky ka hiambina sy hiomana mandrakariva amin’ny fanaovana tsara ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy. Tanteraho ny asa nomen’ny Tompo; miasà amin’ny fo sy ny fahamarinana.
Fanontaniana :
Asehoy fa tena vonona amin’ny fiavian’ny Tompo hianao amin’ny lafim-piainana rehetra.
Foibe Sampana Sekoly Alahady