Ny olom-boafidin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Septambra 2026
Sal 138 / Hira 283 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 286
1 Korintiana 9,10 - 15
10 Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin'ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin'ny fanantenana hahazo. 11 Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay? 12 Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran'i Kristy. 13 Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara? 14 Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. 15 Nefa tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako.Ny olom-boafidin’ Andriamanitra
I-Miasa amin’ny fanantenana
« Satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana… » (and10). Amin’ny finoana no hiandrasan’ny mpiasa ny vokatra. Ambaran’i Paoly fa ny olona mively vary dia misy antenainy sy andrasany ihany. Tsy mety ny manao izay ahatonga ny mpitory Filazantsara hisento amin’ny fanompoana. Mahonena ny mahita mpiandraikitra amin’ny Fiangonana sasany, mpanompon’ Andriamanitra mitotototo, tsy misy mahatsiaro handray andraikitra mba hanohanana azy, kanefa misy azo hanefana ny zony ihany ao amin’ny biraon’ny Fitandremana ao.
2-Tsy manampatra fahefana
« Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin’ny zavatra rehetra fandrao hisakana ny filazantsaran’i Kristy » (and12b). Fantatry ny mpitory Filazantsara ny zony, fantany ny fahabangana amin’ny fisitrahany izany. Noho ny Filazantsara sy noho ny amin’ny fitsipika dia misafidy hangina, ary tsy manampatra fahefana izy ireo. Toa an’i Jesoa manetry tena, ka nofoanany ny tenany tamin’ny nankany ny endriky ny mpanompo, na dia nanana ny endrik’ Andriamanitra aza (Fil2,7). Noho ny fitiavany dia niaritra fihafiana sy sedra maro Izy.
Fanontaniana
Ahoana no atao mba tsy hisento amin’ny fanompoana ireo tomponandraikitra ara-panahy isan-tsokajiny?
Foibe Sampana Sekoly Alahady