Ho avy ny fotoana tsy maintsy hihaonanao amin’i Jesoa
Mofonaina anio: Talata, faha 24 Novambra 2026
Sal 133/Hira 534:1/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/HF 16: 1,2
Matio 25,31 - 46
31 Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy; 32 ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy*;[*Gr: zanak'osy] 33 ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy* eo amin'ny ankaviany. 34 Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; 35 fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; 36 tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo. 37 Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? 38 Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? 39 Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay? 40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. 41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; 42 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; 43 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo. 44 Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? 45 Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. 46 Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.Ho avy ny fotoana tsy maintsy hihaonanao amin’i Jesoa
Ampahatsiahivin’ny mofonaina anio fa ho avy ny fotoana tsy maintsy hihaonanao amin’i Jesoa ka:
1. Tsy azonao ialana izany (and 32)
«…ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany…». Ny hevitr’io teny hoe rehetra io dia hoe tsy misy na iray aza tsy ho hitany sy tsy ho fantany, ary ny hoe firenena dia entina milaza ny olombelona tsirairay avy. Midika izany, fa tsy misy olombelona na iray aza ka tsy hanatrika an’i Jesoa amin’ny fotoana voatendry hivereneny indray. Voakasik’izany koa ianao.
2. Hanavaka ny Azy Izy (and 33)
«Ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy fa ny osy eo amin’ny ankaviany…» hoy ny Soratra Masina. Ny ondry dia maneho, ny fahalemem-panahy, ny fanetren-tena ary ny fihainoana ny feon’ny mpiandry azy (Jao 10. 27). Ny osy kosa, sarin’ny avonavona, tsy firaharahiana izay mpiandry akory ary hamafisam-po tsy te hahalala ny hafa fa ny tenany sy izay saim-pantany ihany. Ny fahasamihafan’ireo dia ny toe-po: ny iray mihambo ho mahavita, ny iray kosa tena miankin-doha amin’ny tompony.
3. Ny fo manosika ny atao no hotsaraina (and 40)
«…araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto по nataonareo tamiko». Ny mpanjaka, resahin’i Jesoa amin’ny fanoharana eto, dia ilazany ny tenany. Ary tao amin’ireny « kely indrindra » ireny Izy. Mahadiso eo anatrehan’i Jesoa, mahavery koa aza ny vato fo, ka tsy mba manao na inona na inona amin’ny mila vonjy eo amin’ny fiaraha-monina. Satria ny vato fo no tsy maneho fitiavana raha tsy misy tombony ao ambadika (satria hoe tsy i Jesoa tenany ireo kely indrindra) ka nahatonga azy tsy te hahalala.
Fanontaniana
Hanao ahoana tokoa re ianao rehefa hihaona amin’i Jesoa?
Foibe Sampana Sekoly Alahady