Jobily fisotrondronono/ P. Ramarosahanina A.
FJKM MALAZA FAHAZAVANA
JOBILY FISOTRONDRONONO NY
MPITANDRINA RAMAROSAHANINA ANDRIANIRINA MIVADY
Â
Notanterahina tao amin’ ny FJKM MALAZA FAHAZAVANA (SP 11) , ny Fankalazana an’ Andriamanitra noho ny fisotrondrononon’ny Mpitandrina RAMAROSAHANINA Andrianirina  mivady sy ny ankohonany . Izany dia nataon  ny Sabotsy 24 Martsa 2018 , nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany .
Ny Biraon’ny SP RANDRIANANJANIRINA A. Mario , Mpitandrina no nitarika ny Fanompoampivavahana
Andriamatoa RABELISON Harimanitra Manasse  Mpitandrina ,  Prezida Synodaly , no nitondra ny hafatra nalaina tamin’ny teny faneva ao  amin’ny 2 TIMOTY 4.7a manao hoe : « Efa niady ny ady tsara aho … »Â
Tonga nanome voninahitra ny fotoana  ireo Mpitandrina maro ao anatin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo , ombam-bady aman-janaka , otronin’ny fianakavian’ny Mpitandrina , ny Fitandremana niasana teo aloha ary ny vahoaka kristiana avy ao amin’ny FJKM Malaza Fahazavana .Niarahaba sy nirary soa ny Mpitandrina izay handeha hisotro ronono .
 Tamin’izany no nanolorana ny fanomezana avy amin’ny isam-pitandremana , niaraka amin’izay natolotry ny Fitandremana Malaza Fahazavana sy ny Fitandremana Ambohimarina Faharetana , niasany teo aloha .
 Feno fifaliana ny fianakaviana amin’ny fihetsika mampihetsi-po nasehon’ny vahoaka kristiana . Dia mirary soa ny Mpitandrina na dia voalaza tao aza hoe : hisara-nono amin’ny fiangonana izy , dia mbola hanaraka azy mianakavy eny hatrany ny fitahian’ Andriamanitra . Ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana , mba hahazo ny satroboninahitra fiainana .

Sahondramalala Vololona
AFIFAB FOIBE FJKM / Site web