IREO TENDRO MILA FANAZAVANA NY AMIN’NY BATISA
FANAOVANA BATISA NY ZAZA
Hoy Jehovah tamin’i Abrahama raha nanao fanekena taminy Izy:”Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho”. Gen.17:7.
Tsy hoan’ny Abrahama irery nohon’ny finoany an’ Andriamanitra tsy akory io fanekena io, fa hoan’ny taranaka ary taranaka mifandimby mihitsy. Noho izany dia efa nisy zaza tao. Hoan’ny zaza amam-behivavy ihany koa ny fanekena.
Ny faneken’Andriamanitra tamin’Abrahama anefa dia nitondrana marika famantarana toy ny” famorana”, mba ho fantatra fa olon’Andriamanitra ny zanak’Israely. Tsy Abrahama irery anefa no nitondra an’izany marika famantarana izany fa noforana avokoa ny zaza lahy havaloana rehetra.”Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. Dia hoforana hianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin’ny hafa firenena ka tsy avy amin’ny taranakao”.Gen.17:10- 12.
Valo andro araka izany ny zaza dia efa noforana dia ilay mariky faneken’i Jehovah tamin’i Abrahama.
Tsy nijanona teo amin’ny testamenta taloha anefa izany fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny olony izany, fa mitohy taty amin’ny Testamenta Vaovao.Kristy no ivon’nyfanekena, koa ny marika fa olon’andriamanitra dia izay mino an’i Kristy. Tsy famorana ara-nofo intsony no mariky ny fanekena fa ny batisan’i kristy izany lazaina fa ‘famoran’i Kristy’.”ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tànana tamin’ny fanesorana ny tenan’ny nofo, dia tamin’ny famoran’i Kristy; fa niara-nilevina taminy hianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ny maty’.Kol.2:11- 12.
Araka izany dia:
- Mbola mitoetra hatrany hatraty amin’ny Testamenta Vaovao ny fanekena nataon’Andriamanitra ho an’ny olony.
- Niova ho ‘batisa’ izay antsoina hoe’ famoran’i Kristy’ny famantarana nyfanekena ataon’Andriamanitra hoan’ny olony. Ny anton’izany dia izao; etsy andaniny, tsy ilaina intsony ny fandatsahan-drà hafa taorian’ny nandatsahan’ny Tompo ny ràny teo amin’ny hazo fijaliana, etsy ankilany koa, dia fanafoanana ny tsy fitoviana eo anatrehan’Andriamanitra ny batisa;”Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy”.Gal.3:28. Koa tsy ny famorana izay natao hoan’ny lahy irery intsony ny famantarana fa nasolo ho batisa izay natao hoan’ny lahy sy vavy.
- Sady hoan’ny ankizy rahateo ihany koa satria mipetraka foana ilay havaloana tany amin’ny famorana.( Famorana = Batisa).Natao hoan’ny zaza ihany koa araka izany ny batisa satria ny zanaky ny mpino dia teraka tao anatin’ny fanekena ka tokony hitodra avy hatrany ny mariky ny fanekena dia tsy inona tsy akory izany fa ny Batisa na ny Famoran’i Kristy.
- Mitaky andraikitra amin’ny ray aman-dreny anefa izany ka tsy ampianariny ny zanaka ny anton’izany fanaovam-batisa izany araka ny fanekena ao amin’ny batisa.
Ny hevitra avoitran’ireo olona na fiangonana tsy manaiky ny hanaovana batisa ny zaza dia ny tsy fananan’ny zaza finoana sy fisainana hisafidy sy tsy mbola hananany fiovam-po sady efa lehibe, hono, Jesoa vao natao batisa.
Hamaivanin’izy ireo ny fiombonan’ny zaza ao anatin’ny faneken’Andriamanitra nanomboka tamin’ny Testamenta Taloha ka mitohy hatraty amin’ny Testamenta Vaovao. Tazomina hatrany ny hevitry ny marika hoe:batisa no nasolo ny famorana( Famorana = Batisa).
Ny fanahy Masina dia miasa hoan”ny olona rehetra hatramin’ny zaza fa tsy hoan’ny lehibe ihany.
(hotohizana)
ABDINAGO Fanantenana Antra, Mpitandrina
Tale FFP FOIBE