Ny mpitondra avy amin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Novambra 2026

Sal 100 / Hira 39: 1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 734

1 Mpanjaka 5,9 - 14
9 Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina. 10 Ary ny fahendren'i Solomona nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren'ny Egyptiana rehetra. 11 Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak'i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin'ny firenena rehetra manodidina. 12 Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo. 13 Ary nilaza ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry eny amin'ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa. 14 Ary dia nisy tonga avy tany amin'ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren'i Solomona, dia avy amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra izay efa nahare ny amin'ny fahendreny.

Ny mpitondra avy amin’Andriamanitra

Niavaka indrindra amin’ny mpanjaka teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao i Solomona, ny antony dia satria «azony avy amin’i Jehovah» (1 Mpa 2.15d) ny fanjakana. Tsy ny fanjakana ihany anefa no azony, fa izay nangatahiny tamin’ny Tompo koa dia nomena azy (2 Tan 1.10). Telo loha izany valim-bavaka azony izany, ary maneho ny toetra tokony ananan’izay hitondra:

1. Fahendrena (and 9a)

Ny hevitry ny teny hoe fahendrena dia hoe fahaiza-miaina, fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy ary fahaiza-mamantantra ny sitrapon’Andriamanitra manoloana ny tranga atrehina. Mianara amin’i Solomona, mangataha fahendrena amin’ Andriamanitra !

2. Fahiratan-tsaina (and 9b)

Mifameno amin’ny fahendrena voalaza teo ambony ny heviny. Entina milaza fahafahana mandalina sy mamakafaka tsara, hamahana olana sarotra, hahaiza-mandrindra sy mandamina. Tsy gaga isika raha toa ka nanana vahaolana teo anatrehan’ireo vehivavy roa niady zanaka teo anatrehany i Solomona (1 Mpa 3. 24). Tsy takatry ny saina aman-kevitr’olombelona, indrindra tamin’ny vanim-potoanany io fanapahan-kevitr’i Solomona io.

3. Fahalalana (and 9d)

Raha adika ara-bakiteny ny hoe fahalalana be dia hoe manana fo malalaka. Tsy ny fo «taova» loatra na ny « fitoeran’ny fihetseham-po» fotsiny ihany no hevitry ny hoe fo, fa ny maha izy manontolo, azo ilazana hoe manana fahaizana marolafy. I Paoly tamin’ny anjara fanompoany, noho ny amin’ny Tompo, dia afa-nanao sy nahavita na dia izay sarotra sy manahirana aza! (Fil 4. 13). lanao koa!

Fanontaniana

Mpitondra manao ahoana no avy amin’Andriamanitra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ho avy ny fotoana tsy maintsy hihaon...

Talata, 24 Novambra 2026

Ho avy ny fotoana tsy maintsy hihaonanao amin’i Jesoa Ampahatsiahivin’ny mofonaina anio fa ho avy…

Tari-dalana amin’ny fiainana miaraka...

Alatsinainy, 23 Novambra 2026

Tari-dalana amin’ny fiainana miaraka amin’ny TOMPO Epafra no nanorina ny Fiangonana tao Kolosia. Rehefa nanambana…

Ny iraky ny TOMPO

Alahady, 22 Novambra 2026

Ny iraky ny TOMPO Raha mitodika amin’i Ezekiela, amin’ny maha mpaminany irahin’ Andriamanitra azy, hiatrika…