Mampahafantatra sy mampiomana i Jesoa

Mofonaina anio: Talata, faha 03 Novambra 2026

Sal.125/Hira200.1,2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 512.1.2

Matio 24,1 - 14
1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly. 2 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. [*Na:Tsy hitanareo izany rehetra izany] 3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. 4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 5 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. 6 Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. 7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. 8 Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana; izahao 19. 28] 9 Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. 10 Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy. 11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. 12 Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro. 13 Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. 14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.

Talata, faha 03 Novambra 2026

 

Sal.125/Hira200.1,2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 512.1.2

Matio 24, 1-14

Namaly ny fanontanian’ny mpianatra i Jesoa Kristy; mampahafantatra sy mampiomana ny mpianany Izy fa ho rava izao rehetra izao, ary koa ho avy indray Izy.

1- Mitandrema tsy ho voafitaka

Jesoa Kristy mihitsy no milaza mivantana fa tokony hitandrina ny mpianany. Hisy hilaza ny tenany ho Kristy, ary ho maro no hino ka voafitaka. Fa ambon’izany dia hisy mpaminany sandoka. Tsy iray ny mpamitaka fa maro. Ny fitaka miseho eto dia miorina amin’ny teny. Noho izany ny fifikirana amin’ny teny marina ihany, ny Soratra Masina no ahafahana miaro amin’ny fandrika alefan’ilay ratsy. Zava-dehibe ny fahalalana sy ny fivelomana amin’llay Teny sabatry ny fanahy.

2- Mitonia amin’ny zava-mitranga

Hikorontana izao tontolo izao noho ny ady hitranga sy ny loza voa-janahary. Eny, hihamafy aza ny fahoriana, ary ho tonga hatramin’ny fanenjehana, kanefa ho marika ihany izany fa akaiky ilay fotoana toy ny faharariam-piterahana. Koa esorina ny tahotra sy ny tebiteby manoloana izany fa ny fiomanana amin’ilay fifaliana maharitra no atao am-po sy an-tsaina, tahaka ny reny handray ny zanany vao ho teraka. Aoka ny fiadanan’ny Tompo no hanjaka sy hameno ny fiainana manontolo.

3- Iaino ny finoana

Maro no hihemotra noho ny zava-hiseho kanefa izay mitoetra amin’ny finoana hatramin’ny farany ihany no voavonjy. Aoka hitoetra ho mahatoky ao amin’ny Tompo ka tsy hiala Aminy mandra-piaviny. Aoka ny fitiavan’i Kristy no hitarika amin’izay rehetra atao. Meteza ho vavolombelon’ny Tompo amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Ny finoana iainana dia ahitan’izay mifanerasena amin’ny mino an’i Kristy hatrany.

Fanontaniana:

Manao ahoana ny toe-ponao miandry ny fiverenan’ny Tompo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny fomba fiainana sy fitondrantena k...

Alatsinainy, 2 Novambra 2026

Romana 12, 14-21 Manoratra ireo fomba fiainana sy fitondrantena kristiana eny anivon’ny fiaraha-monina misy ny…

MIOMANA AMIN’NY FIAVIAN’NY TOMPO

Alahady, 1 Novambra 2026

MIOMANA AMIN’NY FIAVIAN’NY TOMPO Ho avy ny Tompo ka handrigana ny ratsy. Saingy izay tsara…

Ny vavaka amin’Andriamanitra

Asabotsy, 31 Oktobra 2026

Ny vavaka amin’Andriamanitra 1- Fiombonana amin’ny Ray « Aba, Raiko ô, (…) esory amiko ity kapoaka…