Taomina ny mpino hidera an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Oktobra 2026
Sal.40. 1-4 / Hira 471 / Vavaka/ Mofonaina /Vavaka/ HF 34
Apokalypsy 19,5 - 10
5 Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an'Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe. 6 Dia nahare feo tahaka ny an'ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon'ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka. 7 Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny. 8 Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina. 9 Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanitra. 10 Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana.Taomina ny mpino hidera an’Andriamanitra
1- Noho ny Fandresen’i Kristy
« Aoka isika hifaly sy ho ravoravo (…) fa tonga ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry,…. » (and. 7)
Zanak’Ondry tsy misy kilema no iantsoana an’i Kristy. Izy Ilay Mpiady kanefa notapahin-doha aloha. Eto anefa dia taomina ny mpanompony rehetra, na ny kely na ny lehibe, hidera an’Andriamanitra satria tonga ny fandresena. Na dia mbola ao anatin’ny fanenjehana aza ny mpanompon’ny Tompo, dia taomina hidera mba ho mariky ny fahatokiana ny Tompo. Ny fahorian’ny mpanompon’i Kristy dia mifarana amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry, fa tsy fandevenana akory, dia ny fiverenan’i Kristy haka azy. Fahatokiana aloha vao fanasana. Izany ny Fandresen’i Kristy.
2- Noho ny fanasana
« Soraty; Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakarambadin’ny Zanak’Ondry. » (and. 9).
Ny teny hoe « sambatra » eto dia azo adika hoe « voatahy ». Ny hevitry ny fanasana eto dia tsy inona akory fa ny « Filazantsara ». Sambatra ny olona nantsoina hihaino sy hino ny Filazantsara fa izy no olona voatahy. Tsy azo vidim-bola ny fanasana na ny Filazatsara fa ny andrasana amin’ny olona mandre izany dia ny hamaliana hoe « eny ». Mety misy fisalasalana amin’ny olona sasany fa hianao izay mandre ny Filazantsara kosa dia mamalia « eny » amin’izany. Ary miderà an’Andriamanitra fa isan’ny olona mino ny Filazantsara hianao; voatahy handova ny fiainana mandrakizay.
Fanontaniana:
Ahoana ny hihazonanao ny finoana ao anaty fanenjehana?
Foibe Sampana Sekoly Alahady