Ny mpanompon’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 06 Oktobra 2026

Sal 48, 1-3 / Hira 167: 1, 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 295: 1

Daniela 6,5 - 14
5 Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy. 6 Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin'ny lalan'Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy. 7 Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao. 8 Ny komandy lehibe rehetra amin'ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin'ny telo-polo andro, na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy. 9 Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana. 10 Ary noho izany dia nasian'i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany. 11 Nony fantatr'i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify an'i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany. 12 Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an'i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan'Andriamaniny. 13 Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan'ny mpanjaka noho ny amin'ilay lalàn'ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin'Andriamanitra na amin'olona, ato anatin'ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana. 14 Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan'andro izy.

Ny mpanompon’Andriamanitra

Ireto manaraka ireto no isany nampiavaka an’i Daniela :

1. Olona marina (and 5-6)

I Daniela dia iray amin’ireo manam-pahefana ambony tao amin’ny fanjakan’i Dariosa. Noho ny fahendreny sy ny fahamarinany dia nokasain’ny mpanjaka hasandratra izy. Nialona azy anefa ireo manam-pahefana hafa ka nitady izay rehetra hiampangana azy. Satria tsy nahita tsiny taminy izy ireo, dia namorona lalana nandrara ny olona tsy hivavaka amin’olona na zavatra hafa, afa-tsy amin’ny mpanjaka nandritra ny 30 andro. Nahatoky tamin’ny andraikiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy teo anatrehan’ Andriamanitra izy. Ny fahamarinany no nahatonga ny fahavalony tsy hahita hadisoana afa-tsy amin’ny finoany. Tokony hanana fiainana feno fahamarinana toa an’i Daniela isika, aoka ny toetra sy ny fitondrantena ho vavolombelona tsara eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika.

2. Olon’ny vavaka (and 11)

Na dia fantatr’i Daniela aza ny teti-dratsin’ireo manam-pahefana hafa, dia tsy nitsahatra nivavaka tamin’Andriamanitra izy. Ambara eo amin’ny and 11 fa nandohalika intelo isanandro izy ka nivavaka sy nisaotra an’Andriamaniny. Tsy nahasakana azy ny fandrahonana. Asehon’izao tantara izao fa ny vavaka no hany loharano tokana hahazoana hery ho an’i Daniela, sady nentiny naneho ny fahatokiany an’Andriamanitra. Aza atao ho sakana na hampiova ny fiainam-bavaka ny zava-mitranga izay sarotra sy manahirana eo amin’ny fiainanao. Ny mpanompon’Andriamanitra dia mahatoky amin’ny vavaka na amin’ny mora na amin’ny sarotra.

Fanontaniana:

Ahoana ny hahafahan’ny mpanompon’Andriamanitra mijoro amin’ny fahamarinana?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny vavaka ankasitrahan’ny Tompo

Alatsinainy, 5 Oktobra 2026

Ny vavaka ankasitrahan’ny Tompo dia 1. Atao am-panetrentena (and 5-6) Asain’i Jesoa tsy hanao vavaka…

Antony tokony hivavahana mandrakariv...

Alahady, 4 Oktobra 2026

Antony tokony hivavahana mandrakariva 1. Andriamanitra dia Mpitsara marina (and 7) Raha nangataka rariny tamin’ny…

Ny fivavahana

Asabotsy, 3 Oktobra 2026

Ny fivavahana 1. Atao amin’ny fotoana rehetra (and 13-14) Ambaran’i Jakoba fa na amin’ny fahoriana…