Antony tokony hivavahana mandrakariva

Mofonaina anio: Alahady, faha 04 Oktobra 2026

Sal 66, 8-12 / Hira FF 48 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 338

Lioka 18,1 - 8
1 Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka, 2 dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona. 3 Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko. 4 Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona, 5 mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy. 6 Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina. 7 Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy? 8 Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana et? ambonin'ny tany va Izy?

Antony tokony hivavahana mandrakariva

1. Andriamanitra dia Mpitsara marina (and 7)

Raha nangataka rariny tamin’ny mpitsara tsy marina ity mpitondrantena iray, dia tsy mba nahazo. Nony avy matetika tao aminy anefa izy dia nomeny rariny ihany, fandrao hampanahirana azy. Hazavain’i Jesoa eto fa tsy mba toy ity mpitsara tsy marina ity Andriamanitra. Ilay mpitsara dia nanome rariny ny mpitondrantena nohó ny fahasosorana, fa Andriamanitra kosa dia mamaly noho ny fitiavany sy ny fahamarinany. Fantany ny fahorian’ny olony, ary tsy mandao azy Izy. Mampianatra antsika hatoky Azy izao Soratra Masina izao, fa ny fitsaran’Andriamanitra dia marina amin’ny fotoany. Matokia Azy, fa Izy no mahalala ny hevitra hiheverana ny mpanompony, manana faharetana.

2. Hananana finoana maharitra (and 8)

Fanontaniana no napetrak’i Jesoa rehefa hamarana ilay fanoharana: « Kanefa raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy? ». Ny tanjon’ny fanoharana izay nataony dia tsy ny hahazo valiny haingana fotsiny, fa ny hahatonga finoana maharitra ao anatin’ireo mpianatra. Ny finoana marina dia aseho amin’ny faharetana amin’ny vavaka, na dia mbola tsy hita aza ny mety ho valiny. Ny faharetana dia mitaky fotoana lava sy fahatokiana an’Andriamanitra, ny fiandrasana ny sitrapony. Io fanontaniana izay napetrak’i Jesoa io dia fanamby lehibe ho an’ny mpino rehetra, mba hijoro amin’ny finoana hatramin’ny farany. Koa aza mitsahatra mivavaka na dia maharitra aza ny fitsapana sy ny fisedrana. Hazony mandrakariva ny finoana sy ny fanantenana mandra-pahatongan’ny famalian’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Inona avy ireo antony tokony hivavahan’ny olona amin’i Jesoa Kristy?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ny fivavahana

Asabotsy, 3 Oktobra 2026

Ny fivavahana 1. Atao amin’ny fotoana rehetra (and 13-14) Ambaran’i Jakoba fa na amin’ny fahoriana…

Ny fiverenan’i Jesoa fanindroany

Zoma, 2 Oktobra 2026

Ny fiverenan’i Jesoa fanindroany: 1. Tsy misy mahalala afa-tsy ny Ray (and 32) « Fa…

Ny tokony atao manoloana ny ady atre...

Alakamisy, 1 Oktobra 2026

Manoloana ny ady atrehina dia 1. Itafio avokoa ireo fiadiana nomen’ny Tompo (and 11-17) « Tafio…