Ny olom-boafidin’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 28 Septambra 2026
Sal 121 / Hira 20 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 480
1 Mpanjaka 3,4 - 15
4 Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza*; ka fanatitra dorana arivo no naterin'i Solomona teo amin'izany alitara izany.[Heb. lehibe] 5 Tao Gibeona no nisehoan'i Jehovah tamin'i Solomona tamin'ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao. 6 Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin'ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian'ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany tahaka ny amin'izao anio izao. 7 Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an'i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra. 8 Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin'ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany. 9 Koa omeo ahy mpanomponao saina malady* ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao? [Heb. fo mihaino] 10 Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan'i Solomona izany zavatra izany; 11 ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao, 12 dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao. 13 Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy* mpanjaka tahaka anao amin'ny andronao rehetra.[Na: nisy] 14 Ary raha handeha amin'ny lalako ianao ka hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny nandehanan'i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona ianao. 15 Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy.Ny olom-boafidin’ Andriamanitra
1-Mahazo mangataka izay tiany amin’ny Tompo
« Ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao » (and5b). Ilay Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao no manontany an’i Solomona mpanjaka. Eo ampelatanan’ Izy Tompo ny zava-drehetra ka manana fahefana hanome fahafaham-po ny mpanompony Izy. Jesoa dia sahy nanontany hoe: « Inona no tianao hataoko aminao? » (Lio 18,41). Ankehitriny, mbola manontany anao ny Tompo: Inona avy àry no tianao hangatahana Aminy?
2- Mangataka saina malady
« Omeo ahy mpanomponao saina malady (fo mihaino) hoentiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy » (and9). Hafa karazana ilay fangatahana eto. Tsy ny ho ela velona, na harena, na ain’ny fahavalo fa fahaizana hitsara (and11). Sitraky ny Tompo ilay fangatahana. Ny fangatahana mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo dia tena hafa tokoa. Izay rehetra manana andraikitra fitarihana dia mila io saina malady io.
3-Mahazo valim-bavaka mihoatra ny fangatahana
« Indro, efa nanao Araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina Hendry sady mahiratra… Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa » (and12-13). Fantatry ny Tompo izay rehetra ilaina sy mahasoa.
Fanontaniana
Inona avy àry izao ireo tianao omen’ny Tompo anao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady