Manana tanjona mazava isika

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 26 Septambra 2026

Sal 139 / Hira 622 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 303

1 Korintiana 9,24 - 27
24 Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. 25 Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò. 26 Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; 27 fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.

Manana tanjona mazava isika ka

1- Tohizo hatrany ny hazakazaka masina

« Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo » (and24b):

Ny mpihazakazaka dia manana hafainganam-pandeha mafy kokoa mihoatra ny mpandeha tsotra. Misy lalan-kizorana mazava; ary manana tanjona voafaritra tsara. Mazava ny toromarika pratika nomena antsika momba izany: « Hazakazaka masina » momba ny fahamarinana, fianakaviana, tanindrazana, tontolo iainana. Mizotra mankaiza ary ny fiainam-pianakavianao? Manakory ny fikolokoloanao ny tontolo iainana? Mandeha amin’ny fahamarinana hatrany tokoa ve? Inona no anjarabirikinao eo amin’ity tanindrazana iaraha-manana ity? Aza variana na mitoditodika ianao. Mitandrema tsara sao lavo!

2- Mahonona tena amin’ny zavatra rehetra

Manana fitsipi-pifehezana manokana ny mpihazakazaka. Mifehy tena izy amin’ny sakafo, torimaso ampy tsara, fialam-boly voasaina tsara, manao fanazaran-tena mitohy, mikolokolo ny tenany amin’ny maha Tempolin’ny Fanahy Masina azy. Miala amin’ny fanaon’izao tontolo izao, sahy miavaka amin’ny maro. Mandeha amin’ny fahamasinana.

3-Katsaho hatrany ny satroboninahitra tsy mety ho lo

Manam-petra ireo valim-pitia azontsika Izay omanin’ny Tompo ho antsika dia maharitra mandrakizay. eto an-tany.

Fanontaniana

Mizotra tsara ve ny hazakazaka masina any aminareo?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Ireo andraikitra miandry antsika

Zoma, 25 Septambra 2026

Ireo andraikitra miandry antsika 1-Manaraka tsara ny fampianarana natolotra « Ary mandidy anareo izahay…mba hialanareo amin’ny…

Manoloana ny asa fanarenana atao am-...

Alakamisy, 24 Septambra 2026

Manoloana ny asa fanarenana atao am-pinoana 1- Mampahery sy maniraka hiasa ny Tompo « Mahereza ianareo…

Ny olom-boafidin’Andriamanitra

Alarobia, 23 Septambra 2026

Ny olom-boafidin’ Andriamanitra I-Miasa amin’ny fanantenana « Satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana… »…