Jesoa Kristy Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 16 Septambra 2026
Sal 46, / Hira 460 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 627
Matio 8,23 - 27
23 Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany. 24 Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin'ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory. 25 Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay! 26 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro. 27 Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!Jesoa Kristy Tompo
1- Mpandresy ny tahotra
Tojo tafio-drivotra mafy ny mpianatra. Nisy fiantraikany tamin’ny sambokely nandehanan’izy ireo izany. Voasoratra fa « nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely » (and 24). Mazava araka izany fa raha mifantoka amin’ireo olana, ireo vato misakana, ireo tafiotra samihafa izay mitranga isika, dia hanjaka ny tahotra sy ny fanahiana. Tsy fantatry ny mpianatra akory ny lanjan’ny fanatrehan’i Jesoa Tompo miaraka aminy. Ho anao izay manahy ny ampitso àry, ho anao izay saro-tahotra lava, fantatrao marina ve ny herin’i Jesoa Ilay mpamonjy sy mpanafaka anao? Matokia an’i Jesoa ianao dia ho tsapanao ny fiarovany sy ny famonjeny.
2-Mahafantatra ny toetry ny finoantsika
Nametraka fanontaniana amin’ireo mpianatra i Jesoa. Ambaran’i Jesoa mazava ny hakelin’ny finoan’ireto mpianatra ireto. Izay mbola variana amin-javatra hafa, tsy « mijery an’i Jesoa Tompon’ny finoantsika » (Heb 12,2) dia ambara fa « kely finoana ». Toy izany koa no nihatra tamin’i Petera: « Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho! » (Mat 14, 30). Efa mba misy fahasahiana ihany fa tapaka an-tenantenany. Tena tsy vahaolana ny mitanondrika sy mifantoka amin’ny olana. Ny toetra faka tahaka niombonan’izy ireo kosa anefa dia ny fangatahana famonjena tamin’ny Tompo. Na eo aza ny fetra eo amintsika dia maneho ny voninahiny ny Tompo.
Fanontaniana:
Inona no tokony hatao manoloana ireo tafiotra samihafa?
Foibe Sampana Sekoly Alahady