Ilay kapiteny romana

Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Septambra 2026

Sal. 103, 1-5 / Hira 190. 1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 482. 1, 4

Lioka 7,1 - 10
1 Ary rehefa vitan'i Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy. 2 Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty. 3 Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony. 4 Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy, 5 satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika. 6 Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho. 7 Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. 8 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy. 9 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza. 10 Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.

Ilay kapiteny romana

Asongadin’ny mpanoratra eto ny toetra tsara alain-tahaka nananan’ity kapiteny romana ity sy ny filazan’i Jesoa momba azy:

1. Ny toetra mampiavaka azy

Kapiteny izy, izany hoe olona manam-boninahitra sy manam-pahefana; manaja ny zo maha olona izy, porofon’izany ny fitiavany an’ilay andevony sy ny fitadiavany izay fomba hahasitrana azy rehefa narary mafy (and. 2, 3); tsara laza teo amin’ny Jiosy izy. Izy no efa niantoka ny vola lany tamin’ny fananganana ny synagoga tao Kapernaomy. Ireo loholon’ny Jiosy izay nirahiny no nijoro vavolombelona teo anatrehan’i Jesoa, sy nilaza taminy fa sakaiza tia ny Jiosy izy, izy ireo no niangavy mafy an’i Jesoa mba hamaliana ny fangatahana izay nataony. «Mendrika ny hanaovanao izany izy, satria tia ny firenentsika izy sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.» (and. 4, 5), nanana fanetren-tena sady nanam-pitiavana an’i Jesoa izy. «Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy mendrika hankeo aminao, fa mitenena ihany dia ho sitrana ny ankizilahiko …» (and. 7, 8)

2. Ny filazan’i Jesoa ny momba azy

Hoy i Jesoa : « … lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe noho izany aho, na dia amin’ny Israely aza.» (and. 9) Lehilahy ilay kapiteny, nefa ny finoana nasehony hoy i Jesoa dia lehibe noho ny finoan’ny Jiosy. Lehibe ny finoana nananany. Ninoany fa azon’i Jesoa atao ny hahasitrana ny mpanompony amin’ny alalan’ny Teniny, na dia lavitra an’i Jesoa aza ilay marary. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanasitranana ny marary ny finoan’ireo havana sy ny mpikarakara, toy izany koa ny fanomezana lanja ny Tenin’Andriamanitra.

Fanontaniana :

Rehefa misy marary, iza no voalohany antsoin’ny olona?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Meteza hiasa amin’ny finoana

Asabotsy, 12 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana 1- Ataovy izay hitohizan’ny asa fanompoana (and.2) Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly…

Jesoa no fiainana

Zoma, 11 Septambra 2026

Jesoa no fiainana (and.35) 1- Izay manatona Azy tsy mba ho noana…(and.35) Rehefa nihaona tamin’i…

Meteza hiasa amin’ny finoana

Alakamisy, 10 Septambra 2026

Meteza hiasa amin’ny finoana 1- Ny olona miasa amin’ny finoana dia tsy misy mahasakana. Ity…