Meteza hiasa amin’ny finoana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Septambra 2026
Sal 128/ Hira 451/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka/ HF 14
Ohabolana 16,1 - 7
1 Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah. 2 Ataon'ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy. 3 Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao. 4 Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza. 5 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa* tsy maintsy hampijalina izy.[Heb. Azo ifandraisan-tanana; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia] 6 Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny ratsy. 7 Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.Meteza hiasa amin’ny finoana
1- Ankino amin’i Jehovah ny asanao (and.3)
Azontsika atao ny maminavina sy manao tetik’asa maro samihafa mba hitadiavana izay rehetra heverina ho mahasoa (and.1). Tokony ho tsaroana mandrakariva anefa fa tsy voatery ho tanteraka sy lavorary araka izay nikasana azy avokoa ny zavatra rehetra. Indraindray aza dia misy ny zavatra mandiso fanantenana satria kely ihany ny fahatakaran’ny sain’olombelona, raha miohatra amin’ny fikasan’Andriamanitra. Matetika ny mpino no tsy mahita izay mety ho fahadisoany sy ny faharatsiany ara-panahy ao anatiny, fa raha manatona an’Andriamanitra isika, dia ho hita miharihary ny toe-po sy fikasana ratsy ao anaty, toy ny fiavonavonana sy ny fiheverana ho mahavita tena (and.5), na ny fitiavan-karena tafahoatra (and.8). Asehon’Andriamanitra ireny mba hahatonga ny mpino hankato sy hatahotra Azy ka hanalavitra ny fikasana ratsy rehetra (and.6)
2- Jehovah no mahalavorary izay kasaina rehetra
Ny olona matahotra an’Andriamanitra dia miezaka hankahala ny faharatsiana rehetra, ary afaka ny hanankina amin’Andriamanitra ny fikasana tsara rehetra ao am-pony sy hanambara Aminy ny antony hanaovany izany. Manantena sady matoky izy fa Andriamanitra no tompon’ny ny teny farany amin’ny fahatanterahan’ny valin’ny fangatahany sy ny fikasany, azony antoka fa azon’Andriamanitra tanterahina avokoa ny faniriany rehetra, eny fa na dia izay heverina ho sarotra tanterahina aza. Asehon’ny mpanoratra eto mantsy fa rehefa sitrak’Andriamanitra ny fitondrantenan’ny olona, na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy (and.7).
Fanontaniana:
Inona no asa sy fikasana tianao hankinina amin’ny Tompo anio?
Foibe Sampana Sekoly Alahady