Ny finoana
Mofonaina anio: Talata, faha 15 Septambra 2026
Sal 138, /Hira FF.1/Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/Hira 701
Romana 1,16 - 17
16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika] 17 Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana]« Ny marina amin’ny finoana no ho velona » (and17b)
Ny finoana
1- Hery avy amin’ny Tompo hamonjena antsika
« Fa tsy menatra ny Filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany » (and 16).
Noho ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia misy hery tsy takatry ny saina miasa ao amin’ny olona, izay manala azy amin’ny tsy finoana. Rehefa miasa amin’ny finoana ny mpitory, mandray amin’ny finoana an’i Jesoa Tompo ireo itoriana, dia tafafindra hiala amin’ny aizina ho amin’ny fahazavana mahagaga izy ary mandray famonjena.
2- Maneho fahamarinana avy amin’ny Tompo
« Fa amin’ izany no anehoana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra avy amin’ny finoana » (and 17):
Rehefa raisina amin’ny finoana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tonga mahafantatra ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra isika. Mazava tsara amintsika ny lalam-pamonjena, ny fahasoavana ao amin’ny Tompo izay manafaka antsika, manamarina antsika, noho ny famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompo.
3- Hery avy amin’ny Tompo mamelona antsika
Manomboka amin’ny fiainana eto an-tany, ary mitohy amin’ny fiainana any an-koatra dia mandresy ny herin’ny ota sy ny fahafatesana ny mino. Efa misantatra izany fandresena izany ny Tompontsika. Tsy ny asantsika, na ny herin’ny tenantsika io mamelona io, fa asan’ny finoana eo ambany fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Fanontaniana:
Inona avy ireo mampiavaka ny asan’ny finoana
Foibe Sampana Sekoly Alahady