Ny tokony ho fiainan’ny mpanompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 10 Aogositra 2026
Sal 103.1-3 / Hira 167,1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 734. 3
Kolosiana 3,22 - 25
22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo; 23 ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, 24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo. 25 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona,Ny tokony ho fiainan’ny mpanompo
Marihina amin’ity andalan-tsoratra Masina novakiana androany ity ny fifandraisan’ny samy mpino, dia ny Tompo sy ny mpanompo. Misy hafatr’Andriamanitra tiana hasongadina anefa ao, dia ny tokony ho fiainan’ny mpanompo.
1. Ny asa ataonao dia hevero ho asa atao ho an’Andriamanitra. (and. 22-23)
Manoro hevitra ny mpanompo i Paoly ny amin’ny fomba fananana fiainana Kristiana, na dia eo aza ny toe-javatra maro samihafa mifamahofaho. Nampirisihin’i Paoly izy ireo mba hihevitra ny asa ataony andavanandro ho tahaka ny atao ho an’ny Tompo. Atao ho isan’ny fijoroana vavolombelon’ny Tompo ny asa atao ka tsy mijanona ho asa << ara-nofo >> fotsiny ihany fa lasa fanompoana ara-panahy ho an’Andriamanitra. Midika indrindra izany fa na tsotra aza ny asanao dia manana ny lanjany manokana, masina, rehefa atao amin’ny fo madio ho an’ny Tompo.
2.Miasa amin’ny fo madio fa tsy mihatsaravelatsihy (and. 25).
Miasa isika, tsy hoe mba ho hitan’ny olona, indrindra fa amin’ny fanompoana, ka hanao izany amin’ny fihatsarambelatsihy, fa tena atao amin’ny fo marina sy amin’ny fatahorana an’Andriamanitra. Raha dinihina tsara ireo andinin-tsoratra Masina ireo ka arahina dia hita ho mandrava ireo fitondrana mitanila ny mpiasa eo anivon’ny fiaraha-monina na Fiangonana. Tsy olona mantsy no kendrena hanana fifaliana amin’ny asa atao fa Andriamanitra mihitsy. Hahazo valim-pitia amin’Andriamanitra ny Kristiana izay maneho fitiavana sy fahatsaram-panahy amin’ny hafa; fa izay mampijaly sy manao ratsy amin’ny mpino hafa dia handray araka ny tsy marina nataony. Na aiza na aiza misy anao dia miasà am-pahatsorana, amin’ny fo, ary ho an’i Kristy.
Fanontaniana:
Ambarao amin’ny akaiky anao fa miasa amin’ny fahamarinana sy ny fahatsorana hianao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady