Tsarovy ry mpino
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Aogositra 2026
Sal 68,4-6 / Hira 20,1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 489,2
Jaona 2,1 - 12
1 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy. 2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady. 3 Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy. 4 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako. 5 Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo. 6 Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata* avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon'ny Jiosy. [*Gr.metatra] 7 Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. 8 Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. 9 Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy 10 ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be* ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. [*Gr.mamo] 11 Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany. 12 Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.Tsarovy ry mpino fa
1. Miditra sy manamasina ny fiainana andavanandro Andriamanitra. (and. 1,2)
Fahagagana fito no tantarain’i Jaona, ka ity eto ity no asa mahagaga voalohany nataony. Tao amin’ny fampakaram-bady no nanatanterahan’ny Tompo izany. Manan-danja amin’ Andriamanitra ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Niditra an-tsehatra Izy tamin’ny fahalanian’ny divay nandritra ny fanasana. Ny asa sy ny fiainana tsotra amin’ny andavanandron’ny mpino dia toerana iasan’ Andriamanitra fa tsy hoe eo amin’ny Fiangonana ihany.
2. Mila matoky an’i Jesoa isika (and. 3-5)
Lany ny divay tamin’ny fanasana, tsy nisalasala i Maria nankao amin’i Jesoa ary nilaza ny olana. Nilaza ny mbola tsy fahatongavan’ny fotoana i Jesoa, saingy niteny tamin’ny mpanompo Maria hanao izay lazainy. Ity andalan-teny ity dia mampianatra antsika ny amin’ny tokony hankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, na dia tsy fantatsika aza ny drafitra hitondran’ Andriamanitra ny asany. Izany no finoana. Raha miatrika olana isika dia mila miantehitra amin’ny Tenin’ Andriamanitra, fa tsy ny hevintsika manokana na mety ho zavatra hafa ihany koa.
3. Manova ny tsy fahampiana ho fitahiana Jesoa. (6-10)
Lany ny divay. Fahamenarana ho an’ny mpampakatra izany. Rano tsotra no tao ka navadik’i Jesoa ho tonga divay tsara. Rehefa miditra ny herin’i Jesoa Kristy dia miova tanteraka ny toe-javatra: ny fahoriana mody ho fifaliana, ny fahalemena lasa hery, ary ny tsy fahampiana tonga fitahiana. Ny olombelona dia toy ny rano tsotra, malemy sady voafetra. Fa rehefa miasa ny Tenin’i Jesoa Kristy dia miova ny zava-drehetra, tonga mahery sy tsara.
Fanontaniana:
Inona no mbola mampisalasala ny olona tsy hatoky an’i Jesoa?
Foibe Sampana Sekoly Alahady