Ny fahasoavan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 07 Aogositra 2026
Sal. 67, 3-7 / Hira 18, 1-3 / Vavaka / Mofonaina / vavaka / Hira FF 33, 2
Asan'ny Apostoly 10,1 - 8
1 [Ny amin'i Kornelio] Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana; 2 ary mpivavaka tsara sady natahotra an'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva. 3 Ary izy nahita miharihary tamin'ny fahitana, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin'Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio. 4 Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera; 6 mitoetra ao amin'i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony. 7 Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin'i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin'ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan'izay nanaraka azy isan'andro. 8 Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.Ny fahasoavan’Andriamanitra
Ny amin’i Kornelio, lehilahy jentilisa natahotra an’Andriamanitra, izay nahazo fahitana tamin’Andriamanitra. Manomboka mivelatra ho an’ny Jentilisa, fa tsy ho an’ny Jiosa ihany, ny fahasoavan’Andriamanitra.
1.Mahita ny olona matahotra Azy Andriamanitra (and. 2-3)
Kornelio dia olona matahotra an’Andriamanitra. Nivavaka mandrakariva izy ary nanome fiantrana betsaka. Ny fisian’ny anjelin’Andriamanitra tonga taminy dia manaporofo fa mahita fahamarinana sy ny fanirian’ny fony Andriamanitra na dia mbola tsy nahafantatra tanteraka ny Filazantsara aza izy. Tsy jeren’Andriamanitra ny fiaviany na ny fireneny, fa ny zava-dehibe dia ny fo matahotra Azy.
2.Tsaroan’Andriamanitra ny vavaka sy ny asa tsara (and.4)
Namaly ilay anjely tao amin’ny fahitana i Kornelio. Fahasoavana lehibe ny nahafantarany fa faly noho ny asa vitany Andriamanitra. Tsy mahavonjy azy akory ny asa tsara fa porofon’ny finoana sy ny fo marina ihany. Andriamanitra dia mandre vavaka, ary mahita ny asam-pitiavana ataontsika, na tsy hitan’ny olona aza.
3.Mampiasa olona Andriamanitra hitondra ny Filazantsara (and. 5-8)
Nasain’ilay anjely i Kornelio hampaka an’i Petera hampianatra azy mivantana, na dia azon’Andriamanitra natao aza izany. Mila ianarany bebe kokoa ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny tena finoana dia tokony ho vonona hankato avy hatrany ary miseho amin’ny fankatoavana haingana izany. Rehefa Andriamanitra no miteny dia tsy tokony hihemotra isika. Eo amin’ny iraka iantsoan’i Jesoa Kristy antsika dia takiana ny fankatoavana tsy angatahana andro satria maika ny fitoriana ny Filazantsara.
Fanontaniana :
Aiza ho aiza ny toeran’ny Kristiana FJKM ny amin’izany?
Foibe Sampana Sekoly Alahady