Ny mpino mahatoky
Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Aogositra 2026
Sal 96,11-13 /Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.21. 1
Lioka 11,47 - 51
47 Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan'ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy. 48 Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan'ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany. 49 Koa izany no nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny, 50 mba hadinina amin'ity taranaka ity ny ran'ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, 51 dia hatramin'ny ran'i Abela ka hatramin'ny ran'i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin'ity taranaka ity izany.Ny mpino mahatoky
1. Miala amin’ny fihatsarambelatsihy (and. 47-48)
Ny Fariseo sy ny mpahay lalåna dia isan’ireo nikarakara sy nikolo ny fasan’ny mpaminany tamin’ny andron’i Heroda lehibe, mba hisehoan’izy ireo ho fanta-bahoaka fa sady mpivavaka tsara izy ireo no isan’ny tia ny mpaminany sy ny hafatra nentiny. Nankahala an’i Jesoa Izay mpaminany anefa izy ireo ka nanao tsinotsinona ny hafatry ny Tenin’Andriamanitra. Niampanga an’i Jesoa ny Fariseo sy ny mpanora-dalana noho ny fahadisoan-keviny ny amin’ny fahazoana ny Soratra Masina sy ny fihatsarambelatsihiny. Maro ny miseho ivelany fotsiny ho mpanompon’Andriamanitra, mandoko ny fasan’ny mpaminany nefa izy ireo ihany no namono ny mpaminany. Mila mijoro amin’ny finoana isika ka miala amin’ny toetra ratsin’ny mpihatsaravelatsihy.
2. Matahotra ny famalian’Andriamanitra (and. 51)
Ny hoe hadinina dia midika ho fanaovana ampamoaka na fitsarana. Tsy maintsy hozakainareo sy ny taranakareo ny valin’ny namonoanareo ireo olona tsy manan-tsiny ireo, hoy i Jesoa. Toy izany koa no niantson’i Jesoa tody ny amin’ny nandravan’ny Romana an’i Jerosalema tamin’ny taona 76, izay nisian’ny loza nanjo ny Jiosy. Mahatoky amin’ny finoana ny mpino rehefa matahotra ny famalian’Andriamanitra. Indraindray anefa dia hadinontsika fa ny Andriamanitsika tsy azo vazivazina, Andriamanitra Tsitoha Izy fa tsy ho voatery ho Ray be fitiavana hatrany. Mamaly ireo izay mpanao ratsy Andriamanitra.
Fanontaniana:
Lazao fa tsy manao tsinotsinona ny mpaminany isika ary matahotra ny famalian’Andriamanitra?
Foibe Sampana Sekoly Alahady